Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fenitra hoenti-mitsara

Daty
Sabotsy 19 April 2025

 "Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy." - Mpitt. 12:14

Mpitari-dalana tsy mety diso ho an'ny taranak'olombelona amin'ny lafim-piainany rehetra ny Baiboly. Voalaza mazava ao ireo fepetra hahazoana ny fiainana mandrakizay. Voafaritra tsara ao ny fiavahan'ny ratsy sy ny tsara, ary aseho amin'ny endriny maharikoriko indrindra ny fahotana, manao akanjom-pahafatesana. Raha dinihina sy ankatoavina tsara ny torolalany dia ho toy ny andry rahona ho antsika izy, izay nitarika ny zanak'Isiraely namakivaky ny tany efitra. Fa raha atao tsinontsinona sy tsy ankatoavina kosa izy dia ho vavolombelona hanameloka antsika amin'ny andro fitsarana. Ny Teniny no hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra, dia araka ny nitandreman'izy ireo ny fitakiany na tsia; na ho tafajoro izy ireo, na tsia. 

"Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany fa izany no lalàna sy mpaminany," hoy i Kristy (Mat. 7:12). Lehibe indrindra ny lanjan'ireo teny ireo, ary tokony ho fitsipi-piainantsika. Kanefa tanterahintsika ve io fitsipiky ny lanitra io? Araka izay tiantsika itondrana antsika tokoa ve no itondrantsika ireo namana mifanerasera amintsika? 

Mizaha toetra ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin'ny fiainany andavanandro Andriamanitra. Maro amin'ireo milaza fa manompo Azy anefa no tsy tafajoro ao anatin'io fisedrana io. Vato tsy marina, mizana mandainga no ampiasainy noho ny faniriany fatratra hahazo tombony. Tsy nataon'izy ireo fitsipi-piainana ny Baiboly, koa tsy hitany ny ilana ny fahitsiana sy ny fahatokiana tanteraka. Ny fanangonan-karena no maharevo azy, koa avelany hahazo vahana tsikelikely ao amin'ny asany ny tsy fahatokiana. Mandinika ny fitondran-tenany izao tontolo izao, ary dia tsy mihambahamba mitsara ny maha-Kristianina azy amin'ny alalan'ny fomba fandraharahany.

Tsy miova ny ambaran'ny Baiboly; ny fahotana dia fahotana hatrany, na olona mpanefoefo na mpangataka eny amoron-dalana no manao izany. Aleo lavitra mahantra kanefa be fitahiana avy amin'Andriamanitra, toy izay manana ny haren-tsarobidin'izao tontolo izao kanefa tsy misy fitahiana. mety hanan-karena be isika, saingy raha tsy tsapantsika fa Andriamanitra no mitahy antsika, dia mahantra indrindra isika. — ST, 24 Desambra 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal