Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanabeazana ambony lavitra

Daty
Sabotsy 26 April 2025

 "Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. " - Ohab. 4:5.

Mofon’aina:
Tsy fotoana amokisana ny saina amin'ny antsoin'ny olona hoe "fianarana ambony" izao. Tokana ihany ny fianarana ambony dia izay avy amin'Ilay Tompon'ny fahamarinana. Tokony ho fianarantsika ny Tenin'Andriamanitra. Mila beazintsika araka ireo fahamarinana voarakitra ao ny zanatsika. Harena tsy hita lany izany, saingy tsy hitan'ny lehilahy sy ny vehivavy satria tsy katsahiny fatratra mandra-pahazoany azy. Ao amin'io Teny io no misy ny fahendrena, fahendrena tanteraka sy tsy misy fetra, izay tsy avy amin'ny saina voafetra fa avy amin'Ilay Saina tsy manam-petra. 

Rehefa manaiky ampianarina tahaka ny zaza madinika ny lehilahy sy ny vehivavy, rehefa milefitra tanteraka amin'Andriamanitra izy ireo dia hahita ny siansan'ny fanabeazana ao amin'ny Soratra Masina. (...)

Izay te hahita fahombiazana eo amin'ny fitadiavana ny harena nafenina dia tsy maintsy misondrotra ho amin'ny zava-kendrena ambony kokoa noho ny zavatra eto an-tany. Tsy maintsy hatokana ho amin'ny fikarohana ny fitiavany sy ny fahaizany rehetra. Mahita ireo fahamarinana mandrakizay ireo lehilahy sy vehivavy mpivavaka sy manan-talenta, kanefa matetika no tsy mahatakatra izy ireo, satria ny zavatra hitan'ny masony no manakona ny voninahitry ny tsy hita maso. Maro no mihevitra fa ambony noho ny fahendren'Ilay Mpampianatra avy any an-danitrany fahendren ' ny olombelona, ary heverina ho tsy manaraka ny toetr'andro intsony sy tsy mahaliana ny bokin-deson'Andriamanitra. Tsy miombon-kevitra amin'izany anefa ireo izay velombelomin'ny Fanahy Masina. Harena tsy hita pesimpesenina no hitany, ary hamidiny aza ny fananany rehetra mba hahazoany ny saha misy izany. (...)

Ireo izay manao ny Tenin'Andriamanitra ho fianarana ka mandalina mba hahita ny haren-tsarobidin'ny fahamarinana, dia hankasitraka sy handray ireo foto-kevitra manan-danja ampianarina ao. Ho vonton'ny Fanahin'i Kristy izy ireo vokatr'izany, ary ho voaova araka ny endriny eo am-pibanjinana Azy. Hampianatra izy ireo, toy ny efa nianatra teo an-tongotr'i Jesôsy, ka nitozo tamin'izany mba hahafantatra Azy. Ny mahafantatra Azy mantsy no fiainana mandrakizay. — RH, 3 Jolay 1900.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal