Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Diniho ny Soratra Masina ka ankatoavy

Daty
Talata 29 April 2025

"Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin 'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho." - Jao. 7:17.

Mofon’aina:
Ireo izay mandinika amim-panetren-tena sy amim-bavaka ny Soratra Masina, mba hahafantatra sy hanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia tsy hisalasala ny amin'ny adidiny amin'Andriamanitra; satria "Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin 'ny fampianarana izy. " Raha te hahafantatra ny zava-miafin'ny fahamasinana ianao, dia aoka hanaraka ny tenin'ny fahamarinana mazava — na mampihetsi-po anao izany na tsia. Ny fankatoavana dia tsy maintsy avy amin'ny faharesen-dahatra hanaraka fitsipika, ary ny marina dia tsy maintsy atao na inona na inona zava-mitranga. Ny olona manana toetra toy izany no fidin'Andriamanitra ho amin'ny famonjena.

Omena ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fomba hamantarana ny tena Kristianina marina. Hoy i Jesosy: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." — Jao. 14:15. (...) Ny fitandremanao ny didin'Andriamanitra dia porofon'ny fanananao anj ara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava. Misy toetra tsara takin'Andriamanitra; ary izay rehetra mahatratra ny fenitra napetrany, noho ny fahasoavan' i Kristy, dia ho tafiditra soamantsara ao amin'ny fanj akan ' ny voninahitra. (...) 

Aoka ho tonga mpiara-miasa amin' Andriamanitra ianao raha tianao ny handova ilay fitsaharana izay mbola misy ho an'ny zanak'Andriamanitra. Voafidy hitondra ny ziogan'i Kristy ianao — hitondra ny entany, hitondra ny hazo fijaliany. Aoka ianao hazoto "hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana" anao (2 Pet. 1:10).

Diniho ny Soratra Masina dia ho hitanao fa tsy misy taranak'i Adama, na lahy na vavy, natao hovonjena ao anatin'ny tsy fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra. Manao izay hahafoana ny lalàn'Andriamanitra izao tontolo izao, fa ny Kristianina kosa nofidina mba hohamasinina amin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana. Natao hitondra ny hazo fijaliana izy ireo raha maniry hitondra satro-boninahitra. 

Ny Baiboly no hany fitsipiky ny finoana sy ny foto-pampianarana (...). Ny fahamarinana sy ny fivavahana ara-Baiboly ihany no ho tafajoro amin'ny andro fizahan-toetra sy fitsarana. Tsy azontsika atao ny manolana ny Tenin'Andriamanitra araka izay mety amintsika mba hahazoantsika tombony araka izao tontolo izao. Aoka kosa isika hanontany amim-pahatsoram-po hoe: "Andriamanitra ô, inona no tianao hataoko?" — RH, 17 Jolay 1888. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal