Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raha mandinika heloka ianao Jehôvah ô

Daty
Talata 13 February 2024

Vakio ny Sal. 130. Ahoana no anehoana ny faharatsian'ny fahotana sy ny fanantenana ho an'ny mpanota eto?

Mifandraika amin'ny helony sy ny heloky ny olony ny fahoriam-ben'ilay mpanao Salamo (Sal. 130:3,8). Lehibe loatra ny heloky ny olona ka mitady hampisaraka azy ireo amin'Andriamanitra mandrakizay (Sal. 130:3). Miresaka ny amin'ny firaketana ny fahotana izay tehirizina ho amin'ny andro fitsarana ny Soratra Masina (Dan. 7:10; Apôk. 20:12), ary koa miresaka momba ny anaran'ny mpanota izay esorina tsy ho ao amin'ny bokin'ny fiainana (Eks. 32:32; Sal. 69:28; Apôk. 13:8).
Mangataka ny famindram-pon'Andriamanitra, izay hamono ny firaketana ny fahotana, ilay mpanao Salamo (Sal. 5:1, 9; Jer. 31:34; Mika 7:19). Fantany mantsy fa "tsy toetra raikitra ao amin'Andriamanitra ny fahatezerana. Fa mandrakizay ny fitiavany. Ny tsy fahaizan'ny olombelona mankasitraka ny fitiavany no manetsika ny 'fahatezeran'Andriamanitra'. (...) Tsy ny handratra no tanjon'ny fahatezerany, fa ny hanasitrana ny olombelona; tsy ny hanimba fa ny hamonjy ireo vahoakan'ny Fanekeny (jereo ny Hôs. 6:1,2)."- Hans K. LaRondelle, Deliverance in the Psalms (Berrien Springs, MI: First Impressions, 1983), tt. 180, 181. Tsara homarihina fa ny fahavononan'Andriamanitra hameka heloka, fa tsy hanafay azy, no miteraka fanajana fatratra an'Andriamanitra (Sal. 130:4; Rôm. 2:4). Ny tena fiankohofana marina dia miorina amin'ny fiaikena ny toetran'Andriamanitra be fitiavana, fa tsy noho ny tahotry ny famaizana.

Asaina miandry an'i Jehovah ireo vahoakan'Andriamanitra (Sal. 27:14; Sal. 37:34). Ny teny hebreo qawah, "miandry", dia adika ara-bakiteny hoe "manatsotra tanana", ary fototenin'ny teny hebreo ilazana ny hoe "fanantenana." Araka izany, ny fiandrasana an'Andriamanitra dia tsy fileferana amin'ny toe-javatra mahonena fa "fanatsoran-tanana" feno fanantenana na koa fiandrandrana fatratra ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra. Tsy ny fijery miabo ananan'ny mpanao Salamo no iorenan'ny fanantenany fa ny Tenin'Andriamanitra (Sal. 130:5). Tsy very maina ny fiandrasana an'i Jehovah satria aorian'ny alina maizina no tonga ny marainan'ny fanafahan'Andriamanitra.

Jereo ny fangatahana nataon'ilay mpanao Salamo izay tonga fangatahan'ny fiarahamonina iray manontolo (Sal. 130:7,8). Tsy afa-misaraka amin'ny fiadanan'ny vahoaka manontolo ny fiadanan'ny olona anankiray; izany no anton'ny vavaka nataony tsy ho an'ny tenany fa ho an'ny besinimaro. Amin'ny maha-mpino antsika dia ao anatin'ny fiarahamonina isika, ary izay miantraika amin'ny fiarahamonina dia misy fiantraikany amin'ny tsirairay.

Eritrereto ny fanontaniana hoe: "Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô? - Sal. 130:3. Midika inona ho anao manokana izany? Taiza ny toerana mety ho nisy anao raha toa Andriamanitra nandinika ny helokao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal