Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manehoa fitiavana eo am-panaovana ny Asany.

Daty
Sabotsy 21 June 2025

"Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra." - Mpitt. 10:1.

Mofon’aina:
Miantso ireo anadahy sy rahavavy ao amin'ny finoana aho ary mananatra azy ireo mba hikolokolo ny fahalemem-panahy. Na inona na inona toerana niantsoana anao, dia tsy hahafaly ny Tompo ianao raha toa mankamamy ny fitiavan-tena sy ny fieremana. Aoka tsy ataonao ho fialan-tsiny amin'ny fitiavan-tena sy ny tsy fanaovana ny rariny manoloana ny hafa ny raharahan'Andtiamanitra (...). Tsy hankasitrahan'Andriamanitra mihitsy ny hitondrana tombom-barotra azo avy tamin'ny fifampiraharahana feno fitiavan-tena ho ao amin'ny trano firaketany.

 Tokony hilefitra eo ambany fanaraha-mason'ny lanitra ny asa atao rehetra mifandraika amin'ny Asany. Ny fifanaraham-barotra rehetra misy hafetsifetsena, ny fanararaotana ireo olona tsy afa-manoatra noho ny zava-misy, ny tetika rehetra hividianana ny taniny na ny fananany amin'ny vidiny ambanin'izay tokony ho izy, dia tsy ankasitrahan' Andriamanitra, na dia hatolotra ho fanatitra hanohanana ny Asany aza ny tombony avy amin'izany. Naloa ho an 'ny olombelona rehetra ny sandan'ny ran' ilay Zanaka Lahitokan' Andriamanitra, ka zava-dehibe indrindra ny fahatokiana eo amin'ny fifampiraharahana ara-barotra sy ny fitondrana ny olon-drehetra ara-drariny, mba hanatanterahana ireo fitsipiky ny lalàn'Andriamanitra. (... )

 Raha misy anadahy na rahavavy niasa mafy tamin'ny fo sy tsy tamim-pitiavan-tena ho an'ny raharahan'Andriamanitra nefa tonga malemy sy tsy afa-miasa, aoka izy tsy horoahina na koa avela hitady fivelomana araka izay azony atao. Omeo karama sahaza mba hahazoany mivelona izy, satria aza hadinoina fa anisan'ny ankohonan'Andriamanitra izy ary mpiray tampo avokoa ianareo. (...)

 Omena baiko mba ho tia ny namana tahaka ny tena isika. Tsy ny fitiavana ireo izay manana fisainana tahaka ny antsika sy mino izay inoantsika ihany no fonosin'izany baiko izany. Tao amin'ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy no nanehoan'i Kristy ny hevitr'io didy io. Manao ahoana anefa no anaovantsika tsirambina ireny teny sarobidy ireny, ary matetika manao ahoana no ampahorian'ny olona ny namany sy anandratany ny fanahiny ho amin'ny zava-poana. - RH, 18 Desambra 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal