Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.

Daty
Alahady 15 June 2025

NY DANIELA TOKO FAHAROA SY NY TANTARA

Anisan'ny faminaniana manan-danja indrindra ao amin'ny Baiboly ny Dan. 2. Dimanjato taona mahery talohan'i Kristy no nanoratan'ilay mpaminany sy nanoritsoritany ny tantaran'izao tontolo izao, nanomboka tamin'ny androny tany Babilona, ary avy eo ny andron'i Media sy Persa, Grisia, Rôma, sy ny fizarazaran'i Rôma ho ireo firenena ao Eorôpa môderina, araka ny ahitana azy ankehitriny.

Izao no voalaza ao amin'ny Dan. 2:43 momba ireo firenena eoropeanina ireo: "ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga." Tanteraka tamin'ny fomba mahatalanjona io faminaniana io. Eny tokoa, na maro toy inona aza ny fifanambadiana teo amin'izy ireo (nanomboka tamin'ireo andriana ka hatramin'ireo olon-tsotra), dia mbola mizarazara ihany izy ireo.

Ohatra, ny fitondra-mpanjaka britanika dia antsoina hoe "The House of Windsor", anarana anglisy tsara. Kanefa napetraka vao tsy ela ihany io anarana io (tamin'ny taona 1917), raha ny marina. Talohan'io dia "Saxe-Coburg-Gotha" no anaran'ilay fianakaviana, anarana alemà mazava tsara, satria maro tamin'ny mpanjaka britanika - noho ny fifangaroany "amin'ny taranak'olombelona" - no havana akaikin'ny Alemà. Na izany aza, tsy ampy ireo fatoram-pihavanana ireo mba hisorohana ny ady, ka nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, mba hisarahany amin'ny fahavalony izay halany, dia novany ho "The House of Windsor" ny anarany.

Vakio ny Dan. 2:31-45. Inona ny nofin'i Nebokadnezara, ary ahoana no nanazavan'i Daniela azy?

Manaraka ny fototra napetraka ao amin'ny Dan. 2 ireo faminaniana momba ny andro farany ao amin'ny bokin'i Daniela. Izany hoe, ireo faminaniana rehetra ao amin'ny Daniela dia manaraka fifandimbiasana fanjakana maneran-tany, tahaka ny ao amin'ny Dan. 2, mandra-panorin'Andriamanitra ny fanjakany mandrakizay (jereo ny Dan. 2:44; Dan. 7:13,14). Toy izao raha lazaina amin'ny fomba hafa: mamakivaky ny tantara amin'ny alalan'ny fifandimbiasan'ireo fanjakana tsy tapaka ny faminaniana, nanomboka tamin'ny andro fahiny mandra-pahatonga any amin'ny hoavy, hatramin'izao androntsika izao. lo fomba fandinihana araka ny tantara io dia tena ilaina amin'ny fahatakarana ireo zavatra hitranga amin'ny andro farany, indrindra araka izay aseho ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy.

Ahoana no anehoan'ny Dan. 2 amintsika fa tsy vitan'ny mahafantatra tsara ny hoavy Andriamanitra, fa Izy mihitsy no mifehy izany raha ny marina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal