Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I Jesôsy sy ireo sakaizany tao Betania

Daty
Zoma 16 February 2024

"Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy." - Jao. 11:5.

Tisy tokantrano iray tena tian'i Jesosy ny namangy azy-ny tokantranon'i Lazarosy sy Maria ary Marta; ny rivo-piainan'ny finoana mantsy no nahitan'ny fanahiny fitsaharana.mpianatr'i Kristy.

Anisan'ny nifahatra indrindra Taminy i Lazarosy avyany Betania. Hatramin'nynihaonany voalohany dia efa natanjaka ny finoany an'i Kristy; lalina ny fitiavany Azy, ary be koa ny fitiavan'ny Mpamonjy Azy. Ho an'i Lazarosy no nanaovan'i Kristy ny lehibe indrindra tamin'ny fahagagana. Nitahy izay rehetra nitady ny fanampiany ny Mpamonjy; tia ny fianakavian'ny olombelona rehetra Izy; saingy nananany fifandraisana mamy sy fifamatorana tamin'ny fomba manokana ny olona sasany. Nifaningotra tamin'ny fianakaviana tany Betania ny fony tamin'ny alalan'ny mahazakan'ny fitiavana, ka notanterahiny ho an'ny anankiray tamin'ireo ny anankiray amin'ny asa mahagaga indrindra nataony.

Nahita fialan-tsasatra matetika i Jesosy tao an-tokantranon'i Lazarosy. Tsy nanana trano ho an'ny tenany ny Mpamonjy; niankina tamin ny fampiantranoan'ny namana aman- tsakaizany sy ny mpianany Izy; koa matetika, rehefa sasatra Izy, nangetaheta firaisam-pon'olombelona, пу nahafaly Azy ny nandositra ao amin'izany tokantrano feno fiadanana izany, lavitry ny fiahiahiana sy ny fialonan'ny Fariseo feno hatezerana. Tao Izy nahita fandraisana tsara tamin'ny fo madio, sy fisakaizana madio sy masina. Tao izy no afaka niteny tamim-pahatsorana sy tamim- pahalalahana tanteraka; fantany fa ho azo ny teniny, sady hotehirizina toy ny zava-tsarobidy.

Nankasitrahan'ny Mpamonjintsika ny tokantrano feno fiadanana sy ny mpihaino liana. Niriny mafy ny fahalemem-panahin'olombelona, ny fanajany sy ny fitiavany. Izay mandray ny toromariky ny lanitra, izay mahavonona Azy mandrakariva ny hizara izany, dia mahazo fitahiana be dia be. (...) Votsa anefa ny vahoaka nihaino Azy, ka tao amin'ny tokantrano tao Betania i Kristy no nahita fialan- tsasatra tamin'ny ady mandreraka natrchiny teo amin'ny fiainana teo anivon'ny vahoaka. Tao no nanokafany ny bokin'ny Fitondran'Andriamanitra teo amin'ny mpihaino mahay mankasitraka. Nandritra ireo resaka manokana nataony ireo, dia novelariny teo amin'ny mpihaino Azy izay tsy nandramany nolazaina tamin'ny vahoaka marobe nifangaro. Tsy nilainy ny niteny tamin'ny sakaizany tamin'ny alalan'ny fanoharana. - MLT, t. 208.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal