Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Omeo ilay ranovelona koa ny hafa

Daty
Sabotsy 17 February 2024

"Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay: fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay." - Jao. 4:14.

Fony i Kristy niresaka tamin'ilay vehivavy Samaritanina, dia tsy niady hevitra momba ny fantsakan'i Jakóba Izy, fa nampiseho zavatra tsara lavitra (...). Notarihiny ny resaka ho amin'ilay harena sarobidy tokony homeny azy, ka zavatra tsara lavitra noho izay nananan'ilay vehivavy no natolony azy, dia ranovelona, ny fifaliana sy ny fanantenana avy amin'ny filazantsara.

Lehibe manao ahoana ny fitsinjovan'i Kristy ity vehivahy tokana ity! Akory ny fahitsiana sy ny hazavan'ny Teniny! Rehefa nandre izany ravehivavy dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanána, nilaza tamin'ireo izay tojo azy hoe: "Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?" Voalaza fa "maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanána izany no nino an'i Jesosy -and. 29,39. Ary iza, hatramin'izay taona maro lasa izay ka mandraka ankehitriny, no mahay manombana ny hery mahavonjy avy amin'izany teny izany?

Tonga nifandray manokana tamin'ny olona i Jesosy. Tsy nihataka tamin'ireo izay nila vonjy Taminy Izy. Niditra tany an-tranon'izy ireo Izy, nampahery ny ory, nanasitrana ny marary, nanaitra ireo tsy miraika, ary nandehandeha nanao soa. Raha mpanara-dia an'i Jesosy isika dia tsy maintsy manao tahaka izay nataony koa, tsy maintsy manampy ny olona tahaka ny nanampiany azy ireo koa. Irin'ny Tompo ny hahafantaran'ny fanahy tsirairay ny tenim-pahasoavany. Asa ataon'ny tena manokana no tsy maintsy anatanterahana izany amin'ny ampahany lehibe. Toy izany ny fomba fiasan'i Kristy. Fifandraisana amin'ny isam-batan'olona no tena nameno ny asan'i Kristy. Na fanahy tokana aza no nihaino Azy dia nanan-danja Taminy manokana izany. Matetika tamin'ny alalan'izany fanahy tokana izany no nielezan'ny hafatra tamin'ny olona an'arivony (...). Marobe ireo izay tsy ho tratry ny filazantsara na oviana na oviana raha tsy entina ho eo aminy izany. MLT, t. 227.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal