Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka tsy hanala baraka Azy amin’ny fandikana ny fitsipika marina.

Daty
Alahady 29 June 2025

"Toy izany no iafaran’izay rehetra fatra-pila harena; fa hipaoka ny ain’izay fatra-pila azy izany." Ohab. 1:19. 

Nomena asa ny olona tsirairay. Samy manan-toerana ao amin’ny drafitra mandrakizain’ny lanitra ny tsirairay. (...) Madio, mangatsakatsaka sy manana tombambidy lehibe ny fahamarinana ary tokony hampiasaina ho amin’ny fanorenan-toetra. Ireo izay manana ny fahamarinana sy manana fitiavana izany ao am-pony, dia hanao ny fandavan-tena rehetra ilaina mba hahatonga izany fahamarinana izany hanana ny toerana voalohany eo amin’ny zavatra rehetra. (...)

Misy ireo manan-kolazaina betsaka ao am-piangonana mikasika ny fivavahana kristianina nefa tokony hitandrina mandrakariva isika eo anatrehan’izy ireny satria manilika ny Tenin’Andriamanitra izy eo amin’ny raharaham-barotra ataony. Tsy eo anilany Andriamanitra rehefa ny fivarotana sy ny fividianana no resahina. Eo amin’ny faritaniny ny fahavalo ary mambabo ny fony. Atolony ho sorona eo amin’ny alitaran’ny fieremana ny firahalahiana kristianina sy ny fitiavana. Voafafa ao am-pony ny momba an’Andriamanitra sy ny lanitra ary ny lalàn’i Jehovah sy ny fitsipiny izay averimberina matetika. (...) Mivarotra ny fanahiny hahazoana tombony tsy ara-dalàna izy. Matevina loatra ny voaly manarona ny masony ka tsy mahita afa-tsy tombony azo amin’ny hosoka izy. (...) Voahaisotra tsy ao am-pony ny fahamasinana sy ny fahamarinan’Andriamanitra.

Moa ve ny vahoakan’Andriamanitra handà izany hery miasa mangina manimba izany? Hatolotr’izy ireo an’Andriamanitra ve ny fony? Moa ve izy ireo haneho famindrampo amin’ny namany? Moa ve hazonin’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ao an-tsainy fa tsy azony atao ny miala amin’ny fahamarinana eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny namany, ary tsaroany ve fa mahafoy an’Andriamanitra izy rehefa mandika ny fahamarinana na koa miala amin’ny fahitsiana? Tsy hitondra soa ho anao na oviana na oviana izay rehetra manala baraka an’Andriamanitra. Izay manantena ny hahomby amin’ny fandikana ireo fitsipika mandrakizain’ny fahamarinana dia mihary ho an’ny tenany vokatra izay tsy azony hojinjaina. Mametraka ny tenany eo amin’ny laharan’ny fahavalo izy ireo ary miantso faharavana ho an’ny tenany. Mety misy fotoana toa aharetan’ny fahombiazany, saingy tsy mba ho isan’ny ankohonan’Andriamanitra na oviana na oviana izy. – SeT 2:133,134.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal