Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.

Daty
Alakamisy 03 July 2025

MIOVA NY DRAFITRA

Vakio ny Eks. 2:11-25. Inona avy ireo tranga nifanesy faingana Izay nanova tanteraka ny drafi-piainan'i Mosesy? Inona avy ny lesona azontsika ianarana avy amin'lo tantara io?

Inona no hataon'i Mosesy? Hilefitra amin'ny fakam-panahin'i Egypta sy ny fahafinaretan'ny lapa ve izy, sa hiombom-pahoriana amin'ny vahoakany? Tsy ela dia nanery azy handray fanapahan-kevitra ny zava-nitranga.

"Rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ary nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy." - Eks. 2:15.

Tsy nanana safidy i Mosesy rehefa avy namono olona, raha mbola nijanona tao Egypta koa. Araka izany, na inona na inona drafitra natao ho azy hiakarany eo amin'ny seza fiandrianan'i Egypta sy ho tonga "andriamanitra", dia nofoanana faingana ireo drafitra ireo. Tsy ho tonga andriamanitra i Mosesy, ho fanampin'ireo andriamanitra sandoka, fa hanompo an'Andriamanitra marina kosa. Azo antoka fa tsy nahazo an-tsaina izay hoaviny i Mosesy tamin'ny fotoana nandosirany.

"Avy hatrany dia niely eran'ny tany izany zavatra izany (ny namonoan'i Mosesy ilay Egyptianina) ka tonga vetivety tany an-tsofin'i Farao, nefa nampitomboina be ihany. Naseho azy fa mety hiteraka fahavoazan-dehibe izao raharaha izao; mitady hitarika ireo rahalahiny hanohitra ny Egyptiana Mosesy; sy hanongana ny fitondram-panjakana ka hipetraka eo amin' amin'ny seza fiandrianana; raha atao indray milaza dia tsy hisy filaminana mihitsy eto amin'ny fanjakana raha mbola velona izy. Avy hatrany dia nomelohin'ny mpanjaka ho faty izy. Rehefa reny ny loza mananontanona azy, dia nandositra nankany amin'ny lalana any Arabia Mosesy." PM, ed. 1985, t. 245.

Niaina 120 taona i Mosesy (Deo. 34:7), ary azo zaraina ampahany telo, izay 40 taona avy, ny fiainany. Tany Egypta ny 40 taona voalohany, indrindra tao an-dapan'ny mpanjaka. Tany an-tranon'i Jetro tany amin'ny faritr'i Midiana no nandaniany ny 40 taona faharoa.

Ny 40 taona farany kosa no nandrafetana ny ampahany lehibe amin'ireo boky dimy voalohany nosoratan'i Mosesy (sy resahina amin'ity telovolana ity), izay mirakitra ny tantaran'ny niantsoana voalohany ny Isiraely ho vavolombelona eo anivon'ny tontolo feno fanompoan-tsampy, mba haneho ny toetra amam-panahin'llay Andriamanitra marina (jereo ny Deo. 4:6-8).

Tao anatin'ny drafitr'Andriamanitra ve ny namonoan'i Mosesy ilay Egyptianina? Raha tsia, inona no ambaran'ity tantara ity amintsika mikasika ny fomba ifehezan'Andriamanitra ny toe-javatra rehetra, na inona na inona, ka ampiasany izany ho fanatanterahana ny sitrapony? Ahoana no anampian'ny Rôm. 8:28 antsika hahatakatra izany fahamarinana manan-danja izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal