" Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filàn’ny nofo sy ny filàn’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao." 1 Jao. 2:16.
Mofon’aina:
Maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra no domelin’ny toe-tsain’izao tontolo izao ka mandà ny finoany amin’ny alalan’ny asany. Mikolokolo fitiavana vola sy trano ary tany izy ireo, mandra- pahatonga ireo rehetra ireo handany ny herin’ny sainy sy ny maha-izy azy ka mandroaka ny fitiavana ny Mpahary sy ny fanahy izay nanoloran’i Kristy ny ainy. (...) Manjary latsa-danja ny tombontsoa maharitra mandrakizay, ka ny atidoha sy ny taolana ary ny hozatra dia ampiasaina mafy indrindra mba hampitomboana ny fananana ara-nofo. Ny fanangonana ireo fiahiahiana sy enta-mavesatra rehetra ireo dia manjary fandikana mivantana ny baikon’i Kristy manao hoe: "Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra” - Mat. 6:19-20.
Hadinony fa nilaza koa Izy hoe: "Fa miharia harena ho anareo any an-danitra”; raha manao izany mantsy izy dia hiasa ho an’ny tombontsoany ihany. (…) "
Tany an’efitra no niatrehan’i Kristy ny fakam-panahy lehibe indrindra izay saika hamely ny taranak’olombelona. Izy irery no nifanehatra tamin’ilay fahavalo fetsy sy kinga nefa naharesy azy. Mahakasika ny fitiavan-komana ny fakam-panahy lehibe voalohany; ny fisehosehoana no faharoa ary ny fahatelo dia ny fitiavana an’izao tontolo izao. (...) Tonga niaraka tamin’ny voninahitra sy ny harena ary ny fahafinaretan’ny fiainana araka izao tontolo izao i Satana ka nampiseho ireo tamin’ny fomba mahataona indrindra mbahandrenohana sy hamitahana. (...) Noroahin’i Kristy anefa io fahavalo fetsy io ka nivoaka ho mpandresy Izy (…)
Manoloana antsika ny ohatra nasehon’i Kristy. Nandresy an’i Satana Izy ary nampiseho fa afaka ny handresy koa isika. Notoheriny tamin’ny alalan’ny Soratra Masina i Satana. (...) Raha dinihina sy arahina ny Soratra Masina, dia hahery ny Kristianina rehefa mifanehatra amin’ilay fahavalo fetsy; saingy atao an-tsirambina ny Tenin’Andriamanitra ka loza sy faharesena no miseho. – CS ,tt. 209,210.