Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra

Daty
Talata 20 February 2024

"Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban 'Andriamanitra amin'izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny antsika filana."-2 Pet. 1:4.

Mampahery ho tonga mpiray amin'ny fomban' Andriamanitra avokoa ny teny fikasana rehetra ao amin'ny Baiboly. Midika ho fahafahana miantehitra amin' Andriamanitra, mino ny Teniny, sy manao ny asany izany; ary vitantsika izany rehefa mifikitra amin'ny maha- Andriamanitra an'i Kristy isika. Sarobidy lavitra noho ny harena rehetra eto amin'izao tontolo izao io fahafahana io. Tsy misy na inona na inona azo ampitahaina amin'izany eto an-tany. Amin'ny famikirantsika amin'io hery azontsika raisina io dia mahazo fanantenana lehibe isika, hany ka afaka mitoky tanteraka amin'ny teny fikasan'Andriamanitra; ary amin'ny fanararaotantsika ireo fahafahana omena antsika ao amin'i Kristy dia tonga zanakalahy sy zanakavavin' Andriamanitra isika. (...)

Izay mino marina an'i Kristy dia manjary mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra, ary manana hery azony anoherana ny fakam- panahy rehetra. Tsy ho lavon'ny fakam-panahy izy na havela ho resy. Hitaky ny teny fikasana izy rehefa tojo fitsapana, ka amin'ny alalan'izany dia ho afa-mandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filana. (...)

Nomen'ny lanitra ny hareny sarobidy indrindra mba hahatonga antsika ho mpiray amin'ny fomban' Andriamanitra. Nilaozan'Ilay Zanak' Andriamanitra ny akanjo sy ny satroboninahiny maha-mpanjaka Azy, ka tonga teto an-tany Izy, teraka toy ny zaza. Nanolo-tena hanana fiainana tonga lafatra Izy, nanomboka tamin'ny fahakeliny mandra-pahalchibe Azy. Nanolo-tena hijoro eo anivon'ny tontolo lavo Izy amin'ny maha-solontenan'ny Ray Azy. Ary dia maty namonjy ny taranaka lavo Izy. Asa manao ahoana re izany e! (...) Tsy haiko hazavaina ny momba izany fa mahagaga, mahagaga loatra. (...)

Tamin'ny alalan'ny fiainany feno fahafoizan-tena sy ny fahafatesany dia manjary afaka mamikitra amin'ny maha-Andriamanitra Azy isika, ary afaka mandositra ny fahalotoana izay co amin'izao tontolo izao noho ny filana. (...) Raha mpiray amin'ny fomban' Andriamanitra ianao dia ho voaomana isan'andro handray ilay fiainana mifamatra amin'ny an Andriamanitra. Hihavao isan'andro ny fitokianao amin'i Jesosy ka hanaraka ny oha-piainany sy hitombo amin'ny fanahafana Azy ianao mandra- pahatonga ny fotoana hijoronao tsy misy tsiny co anatrchany. MLT, t. 274.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal