Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra

Daty
Talata 20 February 2024

"Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban 'Andriamanitra amin'izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny antsika filana."-2 Pet. 1:4.

Mampahery ho tonga mpiray amin'ny fomban' Andriamanitra avokoa ny teny fikasana rehetra ao amin'ny Baiboly. Midika ho fahafahana miantehitra amin' Andriamanitra, mino ny Teniny, sy manao ny asany izany; ary vitantsika izany rehefa mifikitra amin'ny maha- Andriamanitra an'i Kristy isika. Sarobidy lavitra noho ny harena rehetra eto amin'izao tontolo izao io fahafahana io. Tsy misy na inona na inona azo ampitahaina amin'izany eto an-tany. Amin'ny famikirantsika amin'io hery azontsika raisina io dia mahazo fanantenana lehibe isika, hany ka afaka mitoky tanteraka amin'ny teny fikasan'Andriamanitra; ary amin'ny fanararaotantsika ireo fahafahana omena antsika ao amin'i Kristy dia tonga zanakalahy sy zanakavavin' Andriamanitra isika. (...)

Izay mino marina an'i Kristy dia manjary mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra, ary manana hery azony anoherana ny fakam- panahy rehetra. Tsy ho lavon'ny fakam-panahy izy na havela ho resy. Hitaky ny teny fikasana izy rehefa tojo fitsapana, ka amin'ny alalan'izany dia ho afa-mandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filana. (...)

Nomen'ny lanitra ny hareny sarobidy indrindra mba hahatonga antsika ho mpiray amin'ny fomban' Andriamanitra. Nilaozan'Ilay Zanak' Andriamanitra ny akanjo sy ny satroboninahiny maha-mpanjaka Azy, ka tonga teto an-tany Izy, teraka toy ny zaza. Nanolo-tena hanana fiainana tonga lafatra Izy, nanomboka tamin'ny fahakeliny mandra-pahalchibe Azy. Nanolo-tena hijoro eo anivon'ny tontolo lavo Izy amin'ny maha-solontenan'ny Ray Azy. Ary dia maty namonjy ny taranaka lavo Izy. Asa manao ahoana re izany e! (...) Tsy haiko hazavaina ny momba izany fa mahagaga, mahagaga loatra. (...)

Tamin'ny alalan'ny fiainany feno fahafoizan-tena sy ny fahafatesany dia manjary afaka mamikitra amin'ny maha-Andriamanitra Azy isika, ary afaka mandositra ny fahalotoana izay co amin'izao tontolo izao noho ny filana. (...) Raha mpiray amin'ny fomban' Andriamanitra ianao dia ho voaomana isan'andro handray ilay fiainana mifamatra amin'ny an Andriamanitra. Hihavao isan'andro ny fitokianao amin'i Jesosy ka hanaraka ny oha-piainany sy hitombo amin'ny fanahafana Azy ianao mandra- pahatonga ny fotoana hijoronao tsy misy tsiny co anatrchany. MLT, t. 274.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal