Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mila ezaka matotra ny fanoherana ny fahotana.

Daty
Alatsinainy 07 July 2025

" Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny làlan’ny fiainana; fa mivily izay mandà anatra. "Ohab. 10:17.

Mofon’aina:     
Maro no manala tsiny ny fahalemeny ara-panahy sy ny firehetam-pony mivaivay ary ny tsy fahavitany maneho fitiavana amin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ao amin’ny Tompo. Mahatsiaro ho lavitra an’Andriamanitra izy ireo ary koa andevozin’ny tenany sy ny fahotana. Ny faniriany hanao ny asan’Andriamanitra anefa dia miainga amin’ny fironana mandeha ho azy ao aminy fa tsy avy amin’ny faharesen-dahatra lalina avy amin’ny Fanahy Masina. Mihevitra izy fa tsy azo ialana ny lalàn’Andriamanitra nefa tsy mba amin’ny fieritreretana momba ny fanahy tsy maintsy handalo fitsarana no ampitahany ny asany amin’izany lalàna izany. Miaiky izy fa tokony hiankohofana sy hotiavina amin’ny fo rehetra Andriamanitra nefa tsy mba Izy akory no ivon’ny eritreriny rehetra. Mino izy fa tokony hotandremana ny fitsipika mampirisika antsika hitia ny hafa, nefa amin’avonavona mangatsiaka, ary indraindray aza tsy ara-drariny velively no itondrany ny mpiara-miasa aminy. (...)

Ezaka maro mielanelana no natao mba hisian’ny fanavaozana, nefa ireo izay manao izany ezaka izany dia tsy mba manombo ny izahony. Tsy manolo-tena tanteraka ho eo an-tanan’i Kristy izy mba hahazo hery hanatanterahana ny sitrapony. Tsy vonona ny hovolavolaina hitovy amin’Andriamanitra izy. Miaiky ny tsy fahatanterahany izy (...), saingy misy fahotana manokana tsy tiany hafoy. (...)

Tena tian’ny fahavalo tokoa ny hahatanterahan’ireo ezaka mitsitapatapaka ireo, satria tsy mba vonona ny hanohitra ny faharatsiana izay manao izany. Misy fehy fanamaivamaivanana napetraka teo amin’ny sainy, ka amin’ny fitokian-tena no hitadiavany hanao fiaingana vaovao indray hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

Tsy mba mitondra fanavaozana anefa ny faharesen-dahatra ny amin’ny ota ankapobeny fotsiny. Mety hanana fahatsapana manjavozavo sy mahatsiravina ny amin’ny tsy fahatanterahantsika isika, saingy tsy hitondra na inona na inona ho antsika izany raha tsy manao ezaka matotra isika handresena ny fahotana. Raha tiantsika ny hiara-miasa amin’i Kristy, ny handresy tahaka ny nandreseny, dia amin’ny alalan’ny heriny no tsy maintsy hanoherantsika mafy indrindra ny izaho sy ny fitiavan-tena. – ST, 11 Marsa 1897.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal