Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahonòna tena amin’ny zavatra rehetra.

Daty
Talata 08 July 2025

"Amin’ny làlan'ny fahamarinana no misy fiainana, ary ny tsi-fahafatesana no làlan-kalehany. Ohab. 12:28."

Mofon’aina:
Efa navelan'Andriamanitra hamirapiratra amintsika amin'izao andro farany izao ny fahazavan'ny fanavaozana ara-pahasalamana (...). Miasa amin-kery lehibe tokoa i Satana hitarihana lehilahy sy vehivavy maro ho amin'ny fitiavan-komana, ny fampanaranam-po ny fironana maha-olombelona ary ny fandaniana andro amin'ny fahadalana tsy misy fieritreretana. (...) 
Mandemy ny herin'ny saina sy ny vatana ny tsy fahalalana onony. Izay resin'izany dia efa nametraka ny tenany ho eo amin'ny faritanin'i Satana, izay hahazoan'ny fahavalon'ny fahamarinana maka fanahy (...) ary mifehy azy araka izay tiany.

Tokony hisarika ny sain'ny ray aman-dreny mandrakariva ny adidiny eo amin'ny fitondrana ho an'izao tontolo izao ankizy manana toetra mivelatra tsara, ankizy izay hanana hery ara-pitondrantena hanohitra ny fakam-panahy, ary fiainana hanome voninahitra an'Andriamanitra sy ho fitahiana ny hafa. (...) Aoka ny renim-pianakaviana hanararaotra ny fotoana rehetra hahazoany manabe ny zanany ho amin'izay mahasoa.

(...) Raha vao menavava ny zanany dia efa tokony hampianariny hanana fahazarana mandà tena sy mifehy tena.

(...) Raha ny fahadalan'izao taranaka mitotongana izao (...) no mandany betsaka indrindra ny androny, raha ny rendrarendran'ny fiaraha-monina sy ny fitafy ary ny lalao maro samihafa no misarika indrindra ny sainy, dia tsy hahazo ny fanabeazana araka ny tokony ho izy ny zanany (...).

Miantoniboka eo amin'ny latabatra fisakafoana ny tsy fahalalana onony, ary maro no manome vahana ny fitiavan-komana mandra-pahatonga ny fanaranam-po ho tonga toetra faharoa. Izay homan-kanina be loatra, na koa manaram-po amin'ny hanina tsy mahasalama, dia mandemy ny hery hahazoany manohitra ny fitakian'ny hetahetan-javatra hafa sy ny firehetan'ny fo.

Noho ny tsy fananany faharetana eo amin'ny fanabeazana ny zanany mba hanana fahazarana mandà tena dia ray aman-dreny maro no mamela ny zanany hihinana sy hisotro amin'ny fotoana rehetra tiany hanaovana izany. Tsy mihena velively miaraka amin'ny fandrosoan'ny taona tsy akory ny faniriana hanome fahafaham-po ny fitiavan-komana sy ny fironana maha-olombelona. Rehefa mihalehibe ireo tanora ireo, dia ny fironana mahery vaika ao aminy no mifehy azy ary ny fitiavan-komana no mangeja azy (...). — CE, tt. 175-177. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal