"Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra hianao, nefa hianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka hianao." Isa. 57:10.
Mofon’aina:
Misy olona sasany mihevitra fa fitahiana ny harena sy ny fidonanaham-poana. Rehefa misy olona mahazo harena be na koa mandova izany amin'ny fomba tsy ampoizina, dia miato ny fahazarana efa nananany, tsy ampiasainy ny fotoany, ary miadam-poana izy. Toa mifarana hatreo ireo lafin-toetra mahatonga azy ho ilain'ny manodidina; manjary mitaintain-dava izy, be tebiteby, tsy sambatra ary tsy maharitra ela ny fahavelomany.
Ireo izay manan-katao mandrakariva ary manatanteraka amim-pifaliana ny asa fanaony isan'andro no sambatra sy salama indrindra. Ny fialan-tsasatra sy ny fahatonian'ny alina no mitondra torimaso tsy tapatapaka ho an'ny vatany trotraka. Efa fantatry ny Tompo izay hahasambatra ny olombelona rehefa nanome azy ireo asa hatao Izy. Avy eo amin'ny seza fiandrianana iray ihany no niavian'ilay didim-pitsarana momba ny tsy maintsy hiasany mafy mba hahazoana hanin-kohanina sy ilay teny fikasan'ny fahasambarana sy ny voninahitra ho avy. Samy fitahiana avokoa izy roa ireo (...)
Hanampy ny fandevonan-kanina ny fampiasan-tena. Hitondra soa lehibe tokoa ny dia an-tongotra kely aorian'ny fisakafoana, ny fihazonana ny loha ho mahitsy tsara, ny fampitrakana tsara ny soroka ary ny fampiasan-tena amin'ny antonony. (...)
Tsy tokony hosakanana tsy hahazo rivotra madio sy vaovao ny havokavoka. Rehefa misy faritra marary amin'ny vatana, ny havokavoka ohatra na ny vavony, dia vao mainka ilaina indrindra ny rivotra madio. (...) Ny fampiasan-tena mavitrika nefa tsy mahery vaika eny ankalamanjana dia hanatsara ny fikorianan’ny rà, hampitomarataratra fahasalamana eny amin'ny hoditra, ary hampiely ny ra manerana ny vatana rehetra vokatry ny herin'ny rivotra madio.
(...) Matetika indrindra ny mpitsabo no manoro hevitra ny marary mba handeha hitsidika toeran-kafa, ho eny amin'ny loharano, ho eny amoron'ny ranomasina mba hanavao ny fahasalamany. Raha mahalala onony izy ireo eo amin'ny lafiny fihinanana ka manao fampiasan-tena miaraka amin'ny toe-tsaina falifaly, dia marary sivy amin'ny folo no hiverina hahazo fahasalamana indray sady tsy lany vola sy fotoana. (...). — TFC, b. 2, tt. 529-531.