"Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra." — 2 Pet. 3:9.
Mofon’aina:
Mametraka antsika amin'ny toe-javatra samihafa ny Tompo ho fampitomboana antsika. Raha manana kileman-toetra izay tsy fantatsika akory isika, dia ampandaloviny zava-tsarotra izay hampahafantatra antsika izany kilema izany, mba hahazoantsika mandresy azy.
Ny fitantanany mihitsy no mahatojo antsika toe-javatra isan-karazany. Samy hafa isaky ny toe-javatra mitranga ny fakam-panahy atrehintsika. Impiry impiry moa isika, rehefa tojo zava-tsarotra ho fizahan-toetra, no mihevitra toy izao: "Tsy mety mihitsy izao, aleoko lavitra nijanona teo amin'izay nisy ahy teo aloha". Inona no anton'izany tsy fahafaham-ponao izany? Ny mba hahafantaranao ny kileman-toetranao, izay vaovao aminao. Inona àry no tokony hataonao rehefa zahan-toetra araka ny fitantanan'ny Tompo ianao? Tokony hiatrika tsara izany ianao ka handresy ireo fahalemenao.
Amin'ny fiatrehanao ny olana no hahazoanao tanjaka ara-panahy. Hahery ao amin'i Kristy ianao raha maharitra amin'ny fizahan-toetra sy ny fitsapan'Andriamanitra. Raha ny toe-javatra sy ny manodidina anao kosa no omenao tsiny, dia vao mainka halemy kokoa ianao. Efa nahita olona nanome tsiny mandrakariva ny zavatra sy ny olona rehetra manodidina azy aho, kanefa tsy taiza fa tao amin'izy ireo ihany ny fahadisoana. Nilain'izy ireo ny miantoraka eo amin'ny Vatolampy ka ho torotoro. Nihevi-tena ho marina mandrakariva izy. Natao hizahana ny toetrantsika ny fisedrana tonga amintsika. Miasa tsy tapaka hamotika antsika ilay fahavalon'ny fanahy, saingy haharihary amintsika ny kileman-toetrantsika, ka rehefa hitantsika mazava izany, dia aoka tsy hanome tsiny ny hafa intsony isika, fa hilaza kosa hoe: "Hiainga aho, dia hody any amin'ny Raiko ".
Rehefa manomboka mahatsapa isika fa mpanota, ka miantoraka eo amin'ilay Vatolampy mba ho torotoro, dia mivelatra eo anoloantsika ireo sandry mandrakizay, ary dia manakaiky ny fon'i Jesôsy isika. Amin'izay fotoana izay dia ho babon'ny toetrany mahate-ho tia isika, ary haharikoriko antsika ny fahamarinantsika. Mila manatona eo am-pototiy ny hazo fijaliana isika. Arakaraka ny hanetrentsika tena eo no ahitantsika ny fitiavan'Andriamanitra misandratra kokoa. RH, 6 Aogôsitra 1889.