Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatanjaka ny fiatrehana olana.

Daty
Alarobia 16 July 2025

"Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra." — 2 Pet. 3:9.

Mofon’aina: 
Mametraka antsika amin'ny toe-javatra samihafa ny Tompo ho fampitomboana antsika. Raha manana kileman-toetra izay tsy fantatsika akory isika, dia ampandaloviny zava-tsarotra izay hampahafantatra antsika izany kilema izany, mba hahazoantsika mandresy azy.

Ny fitantanany mihitsy no mahatojo antsika toe-javatra isan-karazany. Samy hafa isaky ny toe-javatra mitranga ny fakam-panahy atrehintsika. Impiry impiry moa isika, rehefa tojo zava-tsarotra ho fizahan-toetra, no mihevitra toy izao: "Tsy mety mihitsy izao, aleoko lavitra nijanona teo amin'izay nisy ahy teo aloha". Inona no anton'izany tsy fahafaham-ponao izany? Ny mba hahafantaranao ny kileman-toetranao, izay vaovao aminao. Inona àry no tokony hataonao rehefa zahan-toetra araka ny fitantanan'ny Tompo ianao? Tokony hiatrika tsara izany ianao ka handresy ireo fahalemenao.

Amin'ny fiatrehanao ny olana no hahazoanao tanjaka ara-panahy. Hahery ao amin'i Kristy ianao raha maharitra amin'ny fizahan-toetra sy ny fitsapan'Andriamanitra. Raha ny toe-javatra sy ny manodidina anao kosa no omenao tsiny, dia vao mainka halemy kokoa ianao. Efa nahita olona nanome tsiny mandrakariva ny zavatra sy ny olona rehetra manodidina azy aho, kanefa tsy taiza fa tao amin'izy ireo ihany ny fahadisoana. Nilain'izy ireo ny miantoraka eo amin'ny Vatolampy ka ho torotoro. Nihevi-tena ho marina mandrakariva izy. Natao hizahana ny toetrantsika ny fisedrana tonga amintsika. Miasa tsy tapaka hamotika antsika ilay fahavalon'ny fanahy, saingy haharihary amintsika ny kileman-toetrantsika, ka rehefa hitantsika mazava izany, dia aoka tsy hanome tsiny ny hafa intsony isika, fa hilaza kosa hoe: "Hiainga aho, dia hody any amin'ny Raiko ". 

Rehefa manomboka mahatsapa isika fa mpanota, ka miantoraka eo amin'ilay Vatolampy mba ho torotoro, dia mivelatra eo anoloantsika ireo sandry mandrakizay, ary dia manakaiky ny fon'i Jesôsy isika. Amin'izay fotoana izay dia ho babon'ny toetrany mahate-ho tia isika, ary haharikoriko antsika ny fahamarinantsika. Mila manatona eo am-pototiy ny hazo fijaliana isika. Arakaraka ny hanetrentsika tena eo no ahitantsika ny fitiavan'Andriamanitra misandratra kokoa. RH, 6 Aogôsitra 1889.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal