Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fanombohana manano sarotra.

Daty
Alatsinainy 14 July 2025

FANOMBOHANA MANANO SAROTRA

Azo inoana fa efa fantatr'i Mosesy hatrany am-piandohana ny hasarotry ny asa nampiandraiketin Andriamanitra azy (izany no nahatonga azy nanao izay nialana tamin'izany), nefa azo antoka fa tsy tao an-tsainy mihitsy izay hiseho manaraka.

Vakio ny Eks. 5:3-23. Inona no niseho avy hatrany taorian'ny fihaonan'i Mosesy sy i Arona tamin'i Farao?

Talohan'ny nandehanany tany amin'i Farao, dia namory ireo loholona sy ny vahoaka Isiraely i Mosesy sy i Arona ary nilaza tamin'izy ireo ny teny nataon'Andriamanitra taminy sy naneho taminy ireo famantarana nasehoni Jehovah. Nahatonga ny Isiraely hino izany fa hanafaka azy ireo amin'ny fanandevozana i Jehovah ka niankohoka Taminy izy ireo (Eks. 4:29-31). Azo antoka fa ambony tokoa ny fanantenan'izy ireo: hanafaka ny vahoaka hebreo amin'ny fatorany ihany Andriamanitra nony farany!

Taorian'izany no nankanesan'i Mosesy teo amin'ny mpanjakan'i Egypta sy nitondrany ny fitakian'Andriamanitra taminy, izay nahatonga ny toe-javatra niharatsy ho an'ny Isiraelita. Nitombo ny fahorian'izy ireo, ary nihanavesatra sy nihasarotra ny asa mafiny andavanandro. Nampangaina ho malaina izy ireo; nohamafisina kokoa ny fitondrana azy, ary vao mainka nohasarotina noho izay efa niainany ny fanompoany.

Tsy faly ny mpifehy ireo vahoaka ireo, ary ratsy tokoa ny fifandiran'lzy ireo tamin'i Mosesy sy i Arona. Ary ho hitantsika ao aoriana kely fa naneho mialoha ireo fifandirana hitranga eo amin'i Mosesy sy ny vahoakany amin'ireo taona ho avy izany.

Vakio ny Eks. 5:21, rehefa izay, dla mipetraha eo amin'ny toeran’ireo lehilahy ireo raha nanandrina an'i Mosesy sy i Arona izy. Nahoana izy ireo no niteny tahaka izany?

Tsy sarotra ny mahita ny antony nahatezitra ireo lehilahy tamin'i Mosesy ("Jehovah anie hijery sy hitsara anareo" hoy izy Ireo). Nihevitra izy ireo fa tonga mba hanafaka azy amin'ny Egyptianina i Mosesy fa tsy hanao izay hahasarotra kokoa ny fiainany eo ambany vahohon'ny Egyptianina.

Araka izany, dia tsy maintsy niatrika olana avy tamin'ny vahoakany koa i Mosesy sy i Arona, ankoatra ny fiatrehana ny olana avy tamin'ireo Egyptianina.

Inona ny fomba tsara Indrindra azonao sy azon'ny hafa atao mba hlarahana mamaha olana amin'ireo mpitondra fivavahana rehefa mitranga ny fifandirana, raha tsy azo idifiana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal