Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tena fahasambarana 

Daty
Alahady 20 July 2025

"Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho." — Sal. 119:56.

Mofon’aina:
Ilaina katsahina araka ny tokony ho izy sy any amin'ny tena loharano ipoirany ny fahasambarana. Misy ireo mihevitra fa mety hahita fahasambarana amin'ny fanaranam-po amin'ny fahafinaretana feno ota, na amin'ny fanarahana ny fitaoman'izao tontolo izao mamitaka. Ao ireo izay mahafoy ny adidiny tokony hitandroany ny vatany sy ny saina amam-panahiny mba hahazoana fahasambarana, kanjo samy very na ny fanahiny na ny vatany. Ny sasany indray mikatsaka izany amin'ny fanaranam-po amin'ny hatendan-kanina ka mihevitra fa tsara noho ny fahasalamana sy ny fiainana ny fahafinaretana amin'ny tsiron-kanina. Maro no eo ambanin'ny vahohon'ny firehetan'ny filan'ny nofo ka mahafoy ny herim-batany sy ny herin-tsainy ary ny herim-panahiny ho fanomezana fahafaham-po ny filan-dratsiny. Ho faty tanora izy vokatr'izany, ary ho voaheloka noho ny famonoan-tena rehefa tonga ny fitsarana.

Izany ve ilay fahasambarana ilaina, dia izay hita eo amin'ny lalan'ny tsy fankatoavana sy ny fandikana ny lalàn'ny fahasalamana sÿ ny fitondran-tena? Manondro ny loharanon'ny fahasambarana marina sy ny fomba hahazoana izany ny fiainan'i Kristy. Manondro ny lalan-tokana sady mivantana mankany an-danitra fiainany. (...) 

Maro ireo fakam-panahy mitaona tanora ho any amin'ny fahaverezana Mahatonga ny ankizy ho osa sy ts) manam-piarovana ny tsirambine mampalahelo eo amin'ny fanabeazana azy, ka tsy miorina tsara ny toetrany votsa ny sainy, ary kely hery ara pitondrantena izy. (...) Amin'm fanaranam-po feno ota no andotoam ny fahadiovany ka dia simba ny fitondrantenany. Tsy maharitra amin'ny fitsipi-pifehezana izy ka mihevitra fa raha mba havela handeha amin'izay tiany dia ho sambatra tokoa (...) 
Raha te hahita ny soa indrindra eto an-tany ny ankizy sy ny tanora dia aoka hitady izany eo amin'ny lalan'ny fankatoavana mahatoky. Ny fahasalamana tsara no harena lehibe indrindra eto an-tany, ary amin'ny fandosirana ny tsy fahalalana onony ihany no hahazoana azy. Raha tiany ny ho sambatra marina, dia tokony hokatsahiny amim-pifaliana izay hanatanterahana ny adidiny, amin'ny fanaovana amim-pahatokiana ny asa nankinina taminy, ka ny fony sy ny fiainany dia hataony rnifandrindra amin' ilay môdely tonga lafatra. — YI Avrily 1872. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal