"Ny diako maharitra eo amin'ny làlanao, tsy solafaka ny tongotro. Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko." Sal. 17:5,6.
Mofon’aina:
Nanome baiko an'i Mosesy Andriamanitra hitantara amin'ny zanak'Isiraely indray ny nidirany an-tsehatra tamin'ny nanafahany azy ireo avy tany Egypta, sy ny niarovany azy tamin'ny fomba mahagaga tany an'efitra. Nasainy notsiahivina indray ny tsy finoany sy ny fimonomononany rehefa nozahan-toetra izy ireo, kanefa tsy nesorin'Andriamanitra taminy ny famindrampony lehibe sy ny hatsaram-panahiny feno fitiavana. Natao hanamafy ny finoan'izy ireo sy hanatanjaka ny herim-pony izany. (...)
Toy izany koa, tena ilain'ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny ny mitadidy ny fomba nisedrana azy sy ny tsy nahombiazan'ny finoany, izay nanimbany ny asan'Andriamanitra noho ny fisalasalany sy ny fitokiany tamin'ny tenany. Mila haverina tantaraina tsirairay ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fitondrany feno fitsimbinana ary ny fanafahany, izay tsy tokony hohadinoina velively.
Rehefa mijery ny lasa toy izany ny vahoakan'Andriamanitra, dia tokony ho hitany fa miditra an-tsehatra mandrakariva ny Tompo. Tokony ho takany ireo fampitandremana nomena mba tsy hamerenany intsony ny fahadisoana tany aloha. Aoka tsy hitoky amin'ny tenany Izy fa amin'Andriamanitra, mba tsy hanalany baraka ny Anarany intsony. Isaky ny misy fandresena azon'i Satana, dia fanahy maro no tandindomin-doza. Manjary mora andairan'ny fakam-panahiny ny olona sasany ka zary tsy tafarina intsony. (...)
Hamantaran'Andriamanitra izay hitoetra ho mahatoky ao anatin'ny fakam-panahy ny fizahan-toetra ataony amintsika. Hitoky amin'ny hery ambony ivelan'ny an'ny tenany ve ny tsirairay? Misy lafin-toetra izay tsy hita na fantatry ny olona raha tsy haneho azy amin'ny alalan'ny fitsapana. Avelan'Andriamanitra hiharan'ny fakam-panahy lehibe ireo izay mitoky amin'ny tenany, mba hahatakarany ny tsy fahafahany manoatra. (...)
Tokony hijery ny asa efa nataony isika, ny fanavaozana efa nentiny. Tokony hangonintsika ireo porofon'ny fitahian'ny lanitra, vavolombelon'ny hatsarany, ka hilaza isika hoe: "Tompo ô, mino anao sy ireo mpanomponao ary ny asanao izahay." — TFC, b. 7, tt. 210,211.