Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raiso ny fahazavana ka mandehana aminy.

Daty
Talata 22 July 2025

 "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra." —Mat. 5:14.

Mofon’aina:
Misy zavatra iray izay tena ifantohan'ny sain' i Kristy indrindra eto amin'izao tontolo izao. Tsy inona izany fa ny fiangonany eto an-tany satria ny mambra ao aminy dia tokony haneho Azy eo amin'ny toetra amam-panahiny. Izao tontolo izao dia natao hiaiky fa ao amin'ny fivavahana Kristianina no misy ny fahamarinana masina, izay mirakitra haren-tsarobidy natao hampanan-karena ny hafa. Tao anatin'ireo vanim-potoan'ny aizina sy ny fahadisoan-kevitra ara-pitondrantena, nandritra ireo taonjaton'ny fifandonana sy ny fanenjehana, ny fiangonan' i Kristy dia toy ny tanàna niorina teo an-tampon-tendrombohitra. Hatramin' izay ka hatramin' izao, dia naseho tamin'ireo taranaka nifandimby ny foto-pampianarana madio raketin'ny Baiboly.

Mila miara-miasa amin'ny fiangonana any an-danitra anefa ny fiangonana eto an-tany, mba hahatonga azy hahomby amin'ny fanabeazana eto amin'izao tontolo izao. Mila manokatra ny fony ny mambra ao amin'ny fiangonana mba handraisana ny tara-pahazavana rehetra tian'Andriamanitra halefa. Misy fahazavana tian' Andriamanitra homena antsika araka ny fahafahantsika mandray izany, ka arakaraka ny handraisantsika no vao mainka hahazoantsika bebe kokoa hatrany amin'ny taratr’ Ilay fahamarinana (...)

Mbola ao anatin'ny fotoam-pahasoavana isika tsirairay, ao amin'ny sekoly iza hitakiana antsika ho tonga mpianatra mazoto tokoa. Ampirisihina isika handeha amin'ny mazava, tahaka ny nandehanan'i Kristy tao amin'ny mazava. Amin' izany no ianarantsika ny momba an'Andriamanitra, ary izao ny " fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesôsy Kristy, Izay efa nirahinao." — Jao.17:3.  Ireo no tenin'Ilay niaraka tamin'ny Ray fony tsy mbola ary izao tontolo izao, raha nivavaka ho an'ireo izay hino an'Andriamanitra noh ny tenin'ny mpianany Izy. Ny fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny asany no tena siansa marina. Andeha hitombo fahalalana ny Tompo isika mandra-paharesy lahatra antsika fa mahatoky toy ny maraina ny fidirany an-tsehatra eo amin'ny fiainantsika. (...) 

Fanahy mahatoky maro no mandrafitra ny fiangonan' Andriamanitra eto an-tany, ary efa nampidiriny ho ao amin'ny fifandraisam-panekena aminy ireo tamin'ny fampiraisina ny fiangonana eto an-tany amin'ny fiangonany any an-danitra. Efa naniraka ny anjeliny masina Izy mba hanompo ny fiangonany, ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. MR, b.2, tt. 265,266. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal