"Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesôsy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an 'Andriamanitra Ray amin'ny alalany." —Kôl. 3:17.
Mofon’aina:
Andraikitra lehibe no miandry ireo natao batisa tamin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Miezaha mahatakatra ny hevitry ny hoe: "Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin 'Andriamanitra. " — and. 3. Efa nanolo-tena haneho ny fiainan'i Kristy ianareo ao amin'ilay fiainam-baovao izay nidiranareo. (...)
Efa maty ilay fiainana teo aloha, ary fiainana vaovao no hidirana miaraka amin' i Kristy amin'ny alalan'ny voadin'ny batisa. Asehoy ny hakanton'ny toetran'i Kristy. Aoka ny teniny "hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra." — and. 16. (...)
Natao ho hita ao amin'ny fiangonana ireo zavatra ireo. Tokony ho hita eo amintsika ny fitiavana, ny firaisam-po ary ny halemem-panahy. Mitafia famindrampo sy fiantrana amin'ny maha-olom-boafidin'Andriamanitra. Ireo ota vita talohan'ny fiovam-po dia natao ho faty miaraka amin'ilay olona taloha. Tokony hotafian'ilay olona vaovao miaraka amin'i Jesôsy Kristy "ny fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana." — and. 12.
Ireo izay efa natsangana miaraka amin' i Kristy ho amin'ny fiainam-baovao no olom-boafidin'Andriamanitra. Masina ho an'Andriamanitra izy ireo ary ekeny ho malalany. Araka izany dia eo ambanin'ny fanekena masina izy, mba hiavaka amin'ny toe-tsaina manetry tena. Mila mitafy ny akanjom-pahamarinana izy ireo. Miavaka amin'izao tontolo izao izy amin'ny fisainany sy ny fanaony, ary mampiseho kosa fa mianatra amin'Ilay nilaza hoe: "malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho." — Mat. 11:29.
Raha tsapany fa niara-maty tamin'i Kristy izy, raha hazoniny ny voadiny tamin'ny batisa, dia tsy hanan-kery hisarika azy handà an'i Kristy izao tontolo izao. Raha miaina ny fiainan'i Kristy eto amin'izao tontolo izao izy, dia mpiray amin'ny fomban ' Andriamanitra. Koa rehefa hiseho i Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho Aminy amin'ny voninahitra koa izy ireo. — MR, b. 19, tt. 236,237.