"Fa ny làlana rehetra izay nandidian'i Jehôvah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona hianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo." — Deo. 5:33.
Mofon’aina:
I Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Mangataka anao aho mba handinika ny fiainany. (...) Tonga Izy mba hitondra fiainana mandrakizay ho an'ny fanahy very. Tamin'ny namoizany ny Zanany no nanehoan'ny Ray ny faniriany lalina hamonjy ny mpanota. "Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy", hoy i Kristy, "satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray." — Jao. 10:17. Tena tia antsika ny Ray, saingy amin'ny fitiavana izay zara raha takatsika.
Tsy manana toetra feno fandavan-tena sy fahafoizan-tena ny lehilahy sy vehivavy maro, hany ka dia tsy azony an-tsaina ny sorona nataon'ny lanitra tamin'ny nanomezany an' i Kristy an'izao tontolo izao. Tafaharo amin'ny fitiavan-tena sy ny fanandratan-tena ny fanandramana ara-pivavahana. Kely ihany ny fahafahan'ny olona toy izany manantena ny ho mpiara-mandova amin' i Kristy. "Lazaiko aminareo marina tokoa", hoy Izy tamin'ny mpianany, "raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan 'ny lanitra mihitsy hianareo." — Mat. 18:3.
Maro no mitonona ho mpivavaka mafana fo kanefa mandrefy ny fahamasinany amin'ny an'ny hafa, ary vokatr 'izany dia marefo ny aim-panahiny. Tsy resy ny avonavona. (...) Oh, raha mba miaiky ny fahadisoany eo anatrehan'Andriamanitra mantsy izy ka mitalaho ny fanatrehan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainany! Hikoriana ao am-pon'izay voadio ka afaka amin'ny fitiavan-tena sy ny fahotana, ary eo amin'ny fiainan'izay manao ny fahamarinana ho lohalaharana, ny fahamarinana sy ny fahitsiana. (...)
Tsy hihena tsy akory ny faharatsian' izao tontolo izao. Isan-taona dia mainka mihamanjaka ny ratsy, ary mitombo ny tsy firaihan'ny olona. Aoka ho feno fandinihan-tena sy fiaiken-keloka ny fivoriantsika. Tom-bontsoa ho an'ny vahoaka izay efa nandray fitahiana lehibe toy izany ny ho tonga hazon'ny fahamarinana, izay mampita faherezana sy fitahiana. (...) Amin'ny fiombonany amin'ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tenan'i Kristy no hampianarany ny lehilahy sy ny vehivavy hiala amin'ny fitiavan-tena sy ny fahotana ka hanekeny kosa ny hakanton' ny toetran' Andriamanitra. — RH, 22 Jolay, 1909.