Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 26 July 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 11:1-10; Mika 6:8; Eks. 12:1-30, 1 Kôr. 5:7; Eks. 13:14-16; Heb. 11:28.

Tsianjery:

"Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao? Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehôvah , Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.- Eks. 12:26,27.

Efa hihatra ny loza fahafolo sady farany. Nomena ny fampitandremana farany; tsy maintsy atao ny fanapahan-kevitra farany. Tena iankinan'ny aina ny resaka eto. Tsy ain'olon-tokana no voakasik'izany, fa tandindomin-doza ny fiainan'ny fianakaviana sy ny firenena manontolo. I Farao sy ireo manam-pahefany no iankinan'ny ain'ny olona maro. Ny fihetsiny manoloana an'llay Andriamanitra velon'ny Isiraely no hamaritra, tsy ny hoavin'ny tenany ihany fa ny an'ny fireneny koa.

Inona no tsapantsika, ary inona no ataontsika rehefa mitambesatra amintsika ny hasarotry ny toe-javatra, ka tsy maintsy mifidy ny dingana hatao sy ny lalana hizorana manaraka isika, ary mety hisy fiantraikany lehibe amin'ny fiainan'ny olona maro hafa ankoatry ny tenantsika izany safidy izany?

Vonona tokoa Andriamanitra hanome antsika fahendrena, fahalalana ary hery hanaovana izay marina sy tokony hatao (1 Kôr. 1:30; Fil. 2:13).

Izao anefa no olana: tsy te hanao izay marina mandrakariva isika noho ny fontsika maditra. Fantatsika izay tokony hatao, saingy mandà tsy hanao izany isika. Ao amin'ny fitantarana ny fanafahana ny zanak'Isiraely tao Egypta, ny fandavan'ny olona iray tsy hilefitra amin'Andriamanitra, kanefa efa manoloana azy ny porofo tsy azo lavina, dia nahatonga loza ho an'ny maro, ankoatra ny tenany, ary izany mandrakariva rahateo no mitranga.

*Famerenana ny lesona ny sabata 02 Aogositra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal