Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 11:1-10; Mika 6:8; Eks. 12:1-30, 1 Kôr. 5:7; Eks. 13:14-16; Heb. 11:28.
Tsianjery:
"Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao? Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehôvah , Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.- Eks. 12:26,27.
Efa hihatra ny loza fahafolo sady farany. Nomena ny fampitandremana farany; tsy maintsy atao ny fanapahan-kevitra farany. Tena iankinan'ny aina ny resaka eto. Tsy ain'olon-tokana no voakasik'izany, fa tandindomin-doza ny fiainan'ny fianakaviana sy ny firenena manontolo. I Farao sy ireo manam-pahefany no iankinan'ny ain'ny olona maro. Ny fihetsiny manoloana an'llay Andriamanitra velon'ny Isiraely no hamaritra, tsy ny hoavin'ny tenany ihany fa ny an'ny fireneny koa.
Inona no tsapantsika, ary inona no ataontsika rehefa mitambesatra amintsika ny hasarotry ny toe-javatra, ka tsy maintsy mifidy ny dingana hatao sy ny lalana hizorana manaraka isika, ary mety hisy fiantraikany lehibe amin'ny fiainan'ny olona maro hafa ankoatry ny tenantsika izany safidy izany?
Vonona tokoa Andriamanitra hanome antsika fahendrena, fahalalana ary hery hanaovana izay marina sy tokony hatao (1 Kôr. 1:30; Fil. 2:13).
Izao anefa no olana: tsy te hanao izay marina mandrakariva isika noho ny fontsika maditra. Fantatsika izay tokony hatao, saingy mandà tsy hanao izany isika. Ao amin'ny fitantarana ny fanafahana ny zanak'Isiraely tao Egypta, ny fandavan'ny olona iray tsy hilefitra amin'Andriamanitra, kanefa efa manoloana azy ny porofo tsy azo lavina, dia nahatonga loza ho an'ny maro, ankoatra ny tenany, ary izany mandrakariva rahateo no mitranga.
*Famerenana ny lesona ny sabata 02 Aogositra.