Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Pechah.

Daty
Talata 29 July 2025

Vakio ny Eks. 12:17-23. Inona no anjara tanan'ny ra ao amin'ny fankalazana io andro firavoravoana vaovao io?

Singa manan-danja ny ran'ny biby atao fanatitra ao amin'ity fankalazana ity. Samy nanentina ny tolam-baravaran'ny tranony tamin'ny ran-janak'ondry novonoina, ireo izay nandray anjara tamin'io andro firavoravoana io. Toy izany no nanehoany ny finoany an'Andriamanitra, dia ny finoany fa hanafaka azy amin'ny loza miandry ireo izay tsy voarakotry ny ra Izy.

Fanehoana mahery vaika ny Filazantsara tokoa izany!

Tsy maintsy ho tsy misy kilema ilay zanak'ondrin'ny Paska, satria nanondro an'i Jesôsy Kristy izy, dia llay "Zanak'ondrin' Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Jao. 1:29. Nanana anjara toerana lehibe ny ran'ilay biby: naneho fiarovana izany, ary famantarana maneho fiainana amin'ny fotoan'ny fahafatesana.

"Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho." - Eks. 12:13.

Mifandray amin'ny fankalazana ny Paska ny filazantsara manontolo satria tsy vitan'ny manondro ny fanafahana amin'ny fanandevozana sy ny fizorana ho any amin'ny Tany Nampanantenaina izany, fa maneho koa ny sorona nataon'i Jesôsy Kristy noho ny fahotantsika, sy ny fanomezany ny fahamendrehany ho an'izay rehetra voarakotry ny rany.

Taonjato maro taty aoriana dia nanoratra toy izao i Paoly momba io fankalazana io: "Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika." - 1 Kôr. 5:7.

Nampiasaina hanamboarana koba isan-karazany ny lalivay na ny masirasira. Tamin'ny fotoana nanamboarana ny mofo tsy misy masirasira, ny alina talohan'ny nivoahan'ny Isiraelita tao Egypta, no iresahana voalohany izany ao amin'ny Baiboly. Tsy maintsy nesorina tsy ho ao an-tranon'izy ireo koa ny masirasira (Eks. 12:8, 15-20; Eks. 13:3-7). Ao anatin'io tontolon-kevitra io manokana, ny masirasira dia tandindon'ny fahotana (1 Kôr. 5:6-8); koa tsy azo nampiasaina izany mandritra ny fankalazana ny Paska mandritra ny herinandro.

Tandindon'ny Mesia tsy manan-tsiny, izay nandresy ny fakam-panahy rehetra ary nanolotra ny ainy ho antsika, ny mofo tsy misy masirasira (Jao. 1:29; 1 Kôr. 5:7; Heb. 4:15). Ny "hysopa iray fihina" izay natsoboka tao amin'ny ra, dia maneho ny fahasoavan Andriamanitra manadio (Sal. 51:7). Raha fintinina dia voaseho mandritra ny Pesach manontolo ny asa fanavotana nataon'i Jesôsy .

Ny ran'i Jesôsy , Izay Andriamanitra mihitsy, no nilaina mba hanavotana antsika noho ny fahotantsika. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny haratsin'ny fahotana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal