Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fizahan-toetran'ny Tompo

Daty
Talata 20 February 2024

Vakio ny Sal. 81:7,8; Sal. 95:7-11; sy ny Sal. 105:17-22. Ahoana no fisehon'ny fizahan-toetra ataon'Andriamanitra ao amin'ireo andininy ireo?

Toerana nakan'ny Isiraely fanahy an'Andriamanitra i Meriba, izay nisalasalany ny amin'ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fahafahany manome izay ilain'izy ireo (Eks. 17:1-7; Sal. 95:8,9). Mahaliana fa toa mifamadika amin'izany ny fanazavan'ny Sal. 81 izay manambara fa io no fotoana nizahan'Andriamanitra toetra ny Isiraely (Sal. 81:7). Ary tsy nahomby tamin'izany fitsapana izany ny vahoaka noho ny tsy fahatokiany sy ny tsy fankatoavany.

Mampita hafatra roa sosona ny firesahana momba an'i Meriba. Voalohany, tsy azon'ny vahoakan'Andriamanitra averina ny fahadisoan'ny taranaka lasa. Mila matoky an'Andriamanitra kosa izy ireo ary mandeha amin'ny lalany (Sal. 81:13). Faharoa, na tsy nahomby tamin'ilay fizahan-toetra aza ny vahoaka dia tonga namonjy azy ihany Andriamanitra rehefa tao anatin'ny ady sarotra izy ireo (Sal. 81:7). Ny fahasoavan'Andriamanitra namonjy tamin'ny lasa no manome antoka ny fahasoavany hamonjy ny taranaka ho avy.

Asehon'ny Sal. 105 fa ny fisedran'Andriamanitra dia natao hizahan-toetra ny fitokian'i Josefa amin'ny tenin'Andriamanitra momba ny hoaviny (Gen. 37:5-10; Sal. 105:19). Midika ho "fanadiovana", "fanasana", "famotsiana", ilay teny hebreo Tsarap izay nadika hoe "nizaha toetra" ao amin'ny Sal. 105:19. Araka izany, ny hanala ny fisalasalana rehetra momba ny teny fikasan'Andriamanitra, ary ny hanamafy ny fitokian'i Josefa amin'ny fitantanan'Andriamanitra, no tanjon'ny nizahan'Andriamanitra toetra azy.

Natao hanatanjaka ny zanak'Andriamanitra sy hanomana azy ireo ho amin'ny fahatanterahan'ny teny fikasana ny famaizan'Andriamanitra, araka ny oha-piainan'i Josefa (Sal. 105:20-22).

Ny fandavana ny toromarik'Andriamanitra kosa dia mahatonga fiziriziriana sy hamafisam-po no "Fankatoavana avy hatrany ny lalàny, tsy amim-pisalasalana, takin'Andriamanitra; saingy matory na tsy afa-mihetsika ny olona noho ny fitak'i Satana izay mitaona azy hahita fialan-tsiny sy tsy hanam-panahiana. Hoy mantsy i Satana aminy: tsy ho faty tsy akory hianareo', tahaka ny nolazainy tamin'i Eva tao Edena koa. Tsy vitan'ny manamafy ny fo sy ny fieritreretan'ilay meloka fotsiny ny tsy fankatoavana, fa manjary manimba ny finoan'ny hafa koa. Amin'ny voalohany dia hitany fa tsy mety tokoa ilay fahotana. Arakaraka ny hiverimberenan'izany eo imasony anefa dia mihamalefaka ny fahitany ny haratsin'izany, ary amin'ny farany aza dia manjary manontany tena izy hoe: 'fahotana marina ve ity?', ary dia latsaka amin'ilay fahadisoana koa izy." - TFC, b. 4; t. 146.

Efa nisy fotoana ve nahatsapanao teo amin'ny fiainanao fa manamafy ny fo tokoa ny fahotana? Tamin'ny fomba ahoana? Nahoana ny fieritreretana izany no tokony hitarika antsika ho eo amin'ny hazo fijaliana, izay toerana mety hahazoantsika hery hoenti-mankatò?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal