Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitahiana avy amin'ny fiainan-pahamarinana

Daty
Alakamisy 22 February 2024

Vakio ny Sal. 1:1-3, Sal. 112:1-9, sy ny Sal. 128.

Azo inoana fa ny fiadanana no anisan'ny fitahiana lehibe indrindra amin'ireo fitahiana maro omena ny olona izay manome haja ambony ny Tompo. Oharin'ny Sal. 1 amin'ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona, izay mamoa amin'ny fotoany, ary ny raviny koa tsy mba malazo, ny olo-marina (Sal. 1:3; Jer. 17:7,8; Ezek. 47:12). Manambara io fampitahana io fa ny mitoetra eo ambanin'ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny fananana fifandraisam-pitiavana tsy tapaka amin'Andriamanitra no loharanon'ny fitahiana rehetra. Tsy tahaka ny ratsy fanahy izay oharina amin'ny akofa, tsy marin-toerana sady tsy manana hoavy, ny olo- marina, fa toy ny hazo mamoa sy mamaka ary mitoetra eo anilan'Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay.

on Mampahatsiahy ireo fitahiana ao amin'ny fanjakan'ny Mesia ny Sal. 128:2,3, izay manambara fa midika fiadanana sy fanambinana ny fipetrahana eny ambanin'ny voaloboka sy ny aviavin'ny tena (Mika 4:4). Maneho fanantenana ny Mesia Izay hamongotra ny ratsy sy hitondra fiadanana ho an'izao tontolo izao ny fitahiam-piadanana notononina ho an'i Jerosalema (Sal. 122:6-8; Sal. 128:5,6).

"Ao amin'ny Baiboly ny lovan'ny voavonjy dia atao hoe: «taniny». Ary Ilay Mpiandry ondrin'ny lanitra no mitarika ny andian'ondry ho eo amin'ny loharanon'ny ranon'aina. Mamoa isam-bolana ny hazon'aina, ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena. Misy renirano mikoriana lalandava, tahaka ny vato kristaly, ary eo amin'ny andaniny roa dia misy hazo manofahofa ny raviny manalokaloka ny lalana namboarina ho an'ny navotan'i Jehovah. Ao ireo lohasaha midadasika dia misandratra ho havoana mahafinaritra, sy ireo tendrombohitr'Andriamanitra mampisondrotra irony tendrony mijoalajoala. Eo amin'ireo lohasaha mandry, fahizay ireo, eny amoron'ireo rano velona no nahita fonenana ny vahoakan'Andriamanitra, izay efa ela no naha-mpivahiny sy mpirenireny azy."- HM, t. 702.

Ambaran'ny TV fa amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, rehefa hoforonina ilay tontolo vaovao (Mat. 26:29; Apôk. 21), no hahatanteraka izany fanantenana zany. Koa na mandray fitahiana maro aza ny olo-marina eto amin'ity fiainana ity, dia amin'ny andro farany, rehefa tafaorina tanteraka ny fanjakan'Andriamanitra, no hisitrahan'izy ireo amin'ny fahafenoany ny fahasoavan'Andriamanitra.

Noho ny hazo fijaliana sy izay nitranga teo dia azo antoka ireo teny ikasana ao amin'ny TV momba ny zavatra izay efa nomanin'Andriamanitra ho antsika; nahoana? Ahoana no andraisantsika fampaherezana avy amin'ireo teny fikasana ireo na dieny ankehitriny aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal