Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitia ny hakanto milamin'ny natiora

Daty
Talata 12 August 2025

"Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana, handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?" — Jôba 38:25-27.

Mofon’aina:
Ilay nanao  ny fanorenan'ny tany, nameno ny lanitra sy nametraka ny kintana ho eo amin'ny filaharany, nampitafy ny tany tamin'ny karipetra velona ary nanome endrika tsara izany tamin'ny voninkazo tsara tarehy manana loko sy endrika samy hafa, no misintona ny zanany hitia ny asan'ny tanany amin'ny hatsaran-tarehy tsotra sy milamina nanaingoany ny fonenan'izy ireo teto an-tany.

(...) Nahoana moa no tsy nataon'Andriamanitra volon-tany na volon-davenona ny karipetra nanafiany ny tany? Nofidiny ny loko mampitony indrindra, izay mora raisin'ny retsi-pandre indrindra. Endrey mampahery ny fo sy mamelombelona ny fanahy reraka ny mijery ny tany mitafy ny fitafiany maitso mavana! Raha tsy eo izany dia ho feno vovoka ny rivotra ary ho toy ny efitra ny tany. Ny ahitra rehetra, ny tsiry mamony sy ny voninkazo mamelana rehetra, dia mariky ny fitiavan'Andriamanitra, ary tokony hampianatra lesona antsika mikasika ny finoana sy ny fitokiana Aminy. 

Mampitodika ny saintsika i Kristy hijery ny hatsaran-tarehy voajanahary ananan' ireny, ary manome toky antsika fa na ny fitafiany tsara indrindran'ny mpanjaka lehibe indrindra teto an-tany aza dia tsy manam-pitoviana amin'izay tafian'ny voninkazo tsotra indrindra (...).

Asehoko eo anatrehanao i Kristy izay voahombo. Atolory azy ny fitiavana tsara indrindra ao am-ponao. Omeo Azy ny fahaizanao fa Azy izany. Omeo azy ny talenta entinao miasa sy mitaona ny hafa fa nampindramina anao hohatsaraina ihany izany. Navelan'i Jesôsy ny akanjom-piandrianany, niala teo amin'ny seza fiandrianany izay maharitra mandrakizay Izy ka nitafy ny maha-olombelona, ary noho ny amintsika dia nanjary mahantra Izy, mba hahatonga antsika hanan-karena amin'ny alalan'ny fahantrany. Manan-karena vola ve? Tany? Petra-bola any amin'ny banky? Tsia, fa mba hahazoantsika antoka ny hananana harena maharitra mandrakizay. (...). — RH, 27 Oktôbra 1885.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal