Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona maro avy amin'ny zavaboary.

Daty
Alahady 17 August 2025

"Aoka hidera ny anaran’i Jehôvah ireo; fa Izy no nandidy, dia ary ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra." — Sal. 148:5,6.

Mofon’aina:
Kanto tokoa ny filazalazan'ny mpanao Salamo ny fikarakaran' driamanitra ny zavaboary any an'ala: "Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an 'ny hyraka." — Sal. 104:18. Nandefa ny loharano hamakivaky ny havoana Izy, mba hanorenan'ny vorona ny akaniny ka "rantsan-kazo no anenoany" — and. 12. Ireo zavaboary any an'ala rehetra sy ny havoana dia anisan'ny ankohonany. Manokatra ny tanany Izy ka "mahavoky soa ny zava-miaina rehetra." — Sal. 145:16. - Ed, t. 118.

 Matetika ireo voromahery any an-tendrombohitr'i Alpa no atosiky ny tafio-drivo-mahery ho any an-tsefatsefaky ny tendrombohitra. Manodidina io vorona mahery io ny rahona matevina ka tsy hitany ny toerana avo tratry ny masoandro izay nanorenany ny akaniny. Toa very maina ny ezaka rehetra ataony ialana amin' ireo rahona ireo. Mivezivezy izy, mikopakopaka elatra araka izay tratry ny heriny, ary manakoako any an-tendrombohitra ny hiakany. Rehefa ela ny ela anefa dia amin-kery no hiakarany, manivatsiva ny rahona, ka tonga indray any amin'ny hazavan'ny masoandro, mamela ny haizina sy ny tafiotra any aoriany.

Mety manodidina antsika ny toe-java-tsarotra sy ny hakiviana ary ny haizina; ary mangeja antsika ny lainga sy ny loza, ary ny tsy rariny. Misy ireo rahona tsy mety misava; mitolona mafy amin'ny toe-javatra isika; tokana ihany ny lalana hahafahana mandresy izany rehetra izany. Mijanona eto amin'ny tany ny zavona, any ankoatra ny rahona kosa dia mamirapiratra ny fahazavana avy amin'Andriamanitra. Azontsika atao ny miakatra ho amin'ny fahazavan'ny Fanatrehany eo amin'ny elatry ny finoana. 

Maro ireo lesona izay tokony hianarana. Mampianatra antsika hanana toky ny hazo maniry  irery eny amin'ny havoana na tendrombohitra; mamaka lalina ao amin'ny tany izy, ary mahajoro eo anatrehan'ny tafiotra mahery. Ny vatan-kazo nifamatotra sy niolikolika fony izy mbola hazo tanora, izay tsy hain'ny hery ety an-tany hovana amin'ny endrika mahitsy dia mampiseho antsika ny fiantraikan'ny hery miasa mangina voalohany. (...). — Fk, t. 129. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal