"Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy. Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony." - Sal. 19:2,3.
Mofon’aina:
Izay jerentsika eo amin'ny zavaboary ankehitriny dia tsy manome antsika afa-tsy fahalalana manjavozavo fotsiny momba ny voninahitr'i Edena. Nolotoin'ny fahotana ny hakanton'ny tany; mety ahitana dian'ny asa ratsy eo amin'ny zavatra rehetra. Nefa na dia izany aza dia mbola betsaka ny hakanto tafajanona. Manamarina ny zavaboary fa Ilay tsy hita fetra amin'ny hery, lehibe eo amin'ny hatsarana, amin'ny famindrampo sy ny fitiavana no namorona ny tany, sy nameno azy tamin'ny aina sy ny fifaliana. Na dia eo amin'ny endriny simba aza, dia mampiseho ny asan-tanan'Ilay faratampony amin'ny asan-tanana ny zavatra rehetra. (...)
Hatramin'ny firohondrohona sy ny firehitry ny kotro-baratra sy ny fidoboky ny ranomasina tsy niato hatry ny fahagola, ka hatramin'ny hira feno fifaliana ataon'ny feo mirindran'ny hazo any an'ala, dia samy milaza ny fiderana Azy avokoa ireo feon'ny zavaboary an'arivony. Mijery ny voninahiny isika, eo amin'ny tany sy ny ranomasina ary ny lanitra, miaraka amin'ireto lokony sy sorany mahavariana, miovaova ho samihafa, mirenty ers na mifangaroharo mirindra ers.
(...) Ny ahi-maitso velona izay mandrakotra ny tany miloko mavo dia milaza fa mikarakarany voariny am bany indrindra Izy. Ny zohy any anaty tany sy ny lalina any an-dranomasina dia mampiseho ny harenany. (...) Ny masoandro miposaka eny amin'ny lanitra dia mampiseho an'Ilay fiainana sy ny fahazavan'izay rehetra nataony. Ny famirapiratana sy ny hatsaran-tarehy izay manaingo ny tany sy manazava ny lanitra, dia miteny ny amin'Andriamanitra (...). Ny zavatra rehetra dia milaza ny fikarakarana feno fitiavana toy ny an'ny ray sy ny faniriany hahasambatra ny zanany.
(...) Fanehoana ny toetra amam-panahin'Andriamanitra sy ny heriny ny zavaboary; nefa tsy tokony heverintsika ho Andriamanitra ny zavaboary. (...) Tsy ny asa vita fa ny mpanao azy no mendri-boninahitra (...). — TMF, tt. 267, 268, 269 (ed. 1997).