Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Adidin’ny rehetra ny mitory.

Daty
Talata 02 September 2025

" Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany. " Asa. 1:8.

Mofon’aina:

Ravoravo ny foko raha nahita fa tena maro tamin’ireo vao niova fo no mbola tovolahy sy tovovavy. Nanjary nalefaka sy nanjakan’ny fitiavan’i Jesosy ny fon’izy ireo, raha nahatsapa ny asa tsara nataon’Andriamanitra ho an’ny fanahiny. Tena vanim-potoana sarobidy tokoa izany. “Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.” – Rôm. 10:10. Enga anie ka tsy hanary na oviana na oviana ny hafanan’ny fitiavany voalohany ireo fanahy ireo (...).

Zava-dehibe ny hahatsapan’ireo izay vao niditra ao amin’ny finoana ny andraikiny amin’Andriamanitra, izay niantso azy ireo ho amin’ny fahalalana ny fahamarinana sy nameno ny fony tamin’ny fiadanany masina, mba hananan’izy ireo hery miasa mangina manamasina eo amin’ireo izay ifaneraserany. “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehôvah”.

Nanankinan’Andriamanitra asa ny olona tsirairay mba hampahafantatra ny famonjeny amin’izao tontolo izao. Tsy misy fitiavan-tena na fizahan-tavan’olona eo amin’ny tena fivavahana marina. Mahenika izao rehetra izao sady mahery ny filazantsaran’i Kristy. Faritana ho toy ny fanasin’ny tany, masirasira manova ny zava- drehetra, fanazavana mamirapiratra ao anatin’ny haizina izany. Tsy haintsika ny hihazona ny fankasitrahana sy ny fitiavan’Andriamanitra ary hifaly amin’ny fifandraisana Aminy, kanefa tsy hahatsapa ny andraikitsika manoloana ireo fanahy izay nahafatesan’i Kristy, mitoetra ao anatin’ny fahadisoana sy ny haizina, ka very ao anatin’ny fahotany.

Raha ireo izay milaza fa mpanara-dia an’i Kristy no tsy mitondra tena tahaka ny fahazavana ho an’izao tontolo izao, dia hiala amin’izy ireo ilay hery mahavelona (...). Tsy maintsy manandratra ny hazo fijaliana ny rehetra, ary handray amim-pahatsorana sy fitiavana ary fanetren-tena ny adidy nankinin’Andriamanitra taminy, ka hanao ezaka manokana ho an’ireo manodidina azy, izay mila fanampiana sy fahazavana.

Izay rehetra manaiky izany adidy izany dia hanana traikefa maro isan-karazany, ho feno hafanam-po, ary hohatanjahina sy hovelombelomina hahazo hery vaovao sy maharitra mba hiasa amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena azy ireo, satria Andriamanitra no miasa ao anatiny na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. — RH, 21 Jolay 1891.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal