Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Homboy aloha ny "izaho"

Daty
Alakamisy 04 September 2025

"Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny." -Jao. 1:6,7.

Mofon’aina:
Izao no tenin'Andriamanitra amin-tsika: "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra." – Mat. 5:48. Miantso ny olona rehetra mba hanombo ny izaho Izy. Hitombo hery ao Aminy ireo izay hamaly ny antsony. Mianatra isan'andro amin'i Kristy izy ireo, ary arakaraka ny ianarany no mahalehibe ny faniriany hanorina ny fanj akan' Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fanampiana ny mpiara-belona aminy. (...) Arakaraka ny haben'ny tombontsoa sy ny fahafaha-manao ary ny fitaovana ananan' izy ireo ho an'ny asa kristianina no ahatsapany ny adidy lehibe kokoa tokony hiasany ho an'ny hafa. 

Miezaka mandrakariva ny haneho ny tenany ny olombelona. Tsy maintsy foanana ao anatin'ny olona izay natao tanteraka ao amin'i Kristy ny avonavona sy ny fiheverana ho mahavita tena. Rehefa izay dia hisy fahanginana ao anatin'ny fanahy, ho re ny feon'Andriamanitra, ary tsy ho voasakantsakana ny fidiran'ny Fanahy Masina. Avelao hiasa ao anatinao sy amin'ny alalanao Andriamanitra. Amin'izay dia afaka hilaza miaraka amin'i Paoly ianao manao hoe: "tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko." – Gal. 2:20. (...) 

Hoy i Kristy: "Izaho • avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be." – Jao. 10:10. Io fiainana io no tsy maintsy ananantsika mba hahafahantsika miasa ho an'i Kristy, ary tsy maintsy ananantsika "be dia be". Hanome fiainana ho an'ny fanahy tsirairay izay maty ny amin'ny tena Andriamanitra. Fandavan-tena tanteraka no ilaina, raha tsy izany dia hoentintsika miaraka amintsika ny zavatra izay hanimba ny fahasambarantsika sy ny asantsika. (...)

Raisin' Andriamanitra ireo izay manombo ny izaho, ka ataony fanaka homem-boninahitra. Toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy izy ireo rehefa eo an-tanan'Andriamanitra, ary manatanteraka ny sitrapony amin'ny alalan' izy ireo Izy. (...) Tsapan'izy ireo fa tsy maintsy mivelona amin'ny fiainana izay nive loman ' i Jesosy izy ireo eto amin'izao tontolo izao fiainana afaka amin'ny fitiavan-tena rehetra; ary manampy azy ireo Izy mba hijoro ho vavolombelona ho Azy, hitaona fanahy ho eo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary. — ST, 9 Avrily 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal