Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asao ny olona ho tonga zanak'Andriamanitra

Daty
Zoma 05 September 2025

"Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy. " - 1 Jao. 3:1.

Mofon’aina:
"Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy." –1 Jao. 3:2,3.

Aseho ao amin'io andininy io ireo tombontsoan'ny Kristianina, izay vitsy no mahatakatra azy. Tokony ho fantatsika tsara ireo fitahiana omen'Andriamanitra antsika ao amin'ny Teniny. Nanome toky antsika Izy ny amin'izay hataony ho antsika. Ary izay rehetra nampanan-tenainy dia tanteraka noho ny fanatitra nataon'i Kristy ho antsika.

Nanambara Ilay mahatonga antsika ho zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra i Jaona mpanao batisa. "Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany." – Jao. 1:12.

Tsy zavatra azontsika vidina ny maha-zanak'Andriamanitra. Izay mandray an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana ihany no omena hery ho tonga zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra. Tsy hain'ny mpanota atao amin'ny herin'ny tenany ny miala amin'ny fahotana. Hery ambony lavitra noho ny an'ny tenany no ilain'izy ireo vao tanteraka izany. Hoy i Jaona; "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao! " – Jao. 1:29. I Kristy irery ihany no manana hery mahadio ny fo. Izay mitady famelan-keloka sy fankasitrahana dia tsy afaka hilaza afa-tsy hoe: "Tsy misy azon'ny tanako atolotra Anao; ny mifikitra amin'ny hazo fijalianao no azoko atao." (...)

Hahazo famelan-keloka izay rehetra manatona an'i Jesôsy amim-pinoana. Vantany vao mangataka fanampiana amin'ny Mpamonjy mba hialana amin'ny fahotana ny olona mibebaka, dia miasa avy hatrany ny Fanahy Masina manova ny fo. "Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra". Tsy tokony hanetsika antsika hiasa bebe kokoa ve izany, dia isika izay miezaka maneho ny fanantenana raketin'ny filazantsara amin'ireo mbola ao anatin'ny haizin'ny fahadisoana? — RH, 3 Septambra 1903. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal