Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asao ny olona ho tonga zanak'Andriamanitra

Daty
Zoma 05 September 2025

"Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy. " - 1 Jao. 3:1.

Mofon’aina:
"Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy." –1 Jao. 3:2,3.

Aseho ao amin'io andininy io ireo tombontsoan'ny Kristianina, izay vitsy no mahatakatra azy. Tokony ho fantatsika tsara ireo fitahiana omen'Andriamanitra antsika ao amin'ny Teniny. Nanome toky antsika Izy ny amin'izay hataony ho antsika. Ary izay rehetra nampanan-tenainy dia tanteraka noho ny fanatitra nataon'i Kristy ho antsika.

Nanambara Ilay mahatonga antsika ho zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra i Jaona mpanao batisa. "Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany." – Jao. 1:12.

Tsy zavatra azontsika vidina ny maha-zanak'Andriamanitra. Izay mandray an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana ihany no omena hery ho tonga zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra. Tsy hain'ny mpanota atao amin'ny herin'ny tenany ny miala amin'ny fahotana. Hery ambony lavitra noho ny an'ny tenany no ilain'izy ireo vao tanteraka izany. Hoy i Jaona; "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao! " – Jao. 1:29. I Kristy irery ihany no manana hery mahadio ny fo. Izay mitady famelan-keloka sy fankasitrahana dia tsy afaka hilaza afa-tsy hoe: "Tsy misy azon'ny tanako atolotra Anao; ny mifikitra amin'ny hazo fijalianao no azoko atao." (...)

Hahazo famelan-keloka izay rehetra manatona an'i Jesôsy amim-pinoana. Vantany vao mangataka fanampiana amin'ny Mpamonjy mba hialana amin'ny fahotana ny olona mibebaka, dia miasa avy hatrany ny Fanahy Masina manova ny fo. "Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra". Tsy tokony hanetsika antsika hiasa bebe kokoa ve izany, dia isika izay miezaka maneho ny fanantenana raketin'ny filazantsara amin'ireo mbola ao anatin'ny haizin'ny fahadisoana? — RH, 3 Septambra 1903. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal