Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miara-miasa amintsika ny anjely

Daty
Sabotsy 06 September 2025

 "Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka." - Asa. 10:43.

Mofon’aina:
Miasa amin'ny alalan'ireo anjelin'ny lanitra Andriamanitra mba hahatonga ireo mahalala ny fahamarinana hifan-dray amin'ireo fanahy izay mila fahazavana sy fahalalana. Vakio ny Asa. 10. Nijery ny fanoloran-tena sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra nananan'i Kômelio ilay Andriarnanitry ny lanitra. (...)

Naniraka ny anjeliny ny Tompo mba hampahafantatra izany tamin'i Kôrnelio, sy hampifandray azy amin'ny apôstôly Petera. Nolazain'ilay anjely mihitsy ny toerana nisy an'i Petera, ary nanome toky izy fa hilaza aminy izay tokony hataony i Petera. Rehefa izay dia nisy anjely iray nirahina nankany amin'i Petera mba hanaisotra ny fisalasalany mikasika ny fananan-draharaha amin'ny Jentilisa. "Izay efa nodiovin 'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady". Raha mbola nieritreritra momba ilay fanambarana hafahafa nomena azy i Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: "Indreo, misy telo lahy mitady anao; fa mitsangàna hianao, (..) ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy." –Asa. 10:15,17. 

Mifandray ety amin'ity tontolontsika ity tokoa ny lanitra raha izany tantara izany! Ary teo amin' ilay tohatra izay hitan'i Jakôba dia nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina. Teo an-tampon'ilay tohatra Andriamanitra, ary nisy tara-pahazavana be voninahitra namirapiratra avy eny an-danitra ka hatrety an-tany. Mbola tsy tahaka io fifandraisana io mandraka ankehitriny.

Ary inona no vokatry ny fifandraisan'Andriamanitra tamin'i Kôrnelio? Vakio ilay tantara sarobidy ka ianaro, ary miderà an'Andriamanitra; satria natao ho antsika ny lesona ao anatiny. (...) (Asa. 10:42,43). 

Rehefa nilaza ireo zavatra ireo i Petera, dia nirotsaka tamin'izay rehetra nandre ny Fanahy Masina, ary dia natao batisa tamin'ny anaran'ny Tompo izy ireo. Araka izany dia nisy vondrona mpino kristianina natsangana tany Kaisaria mba hitondra ny fahazavan'ny fahamarinana. 

Io no asa tokony hatao ankehitriny. Manana hafatra hotorina amin'ny olona isika. (...) Hoy ny fanambaran'i Kristy: "Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mina Ahy tsy mba hangetaheta intsony. (..) Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy." – Jao. 6:35-37. - (Australasian) UCR, 1 Janoary 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal