Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tandremo ny teninao

Daty
Alahady 07 September 2025

"Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay eo ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra." Kôl. 4:5,6.

Mofon’aina:
Marina fa nobaikoina isika hoe: "Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy; Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany, ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany" - Isa. 58:1. Tsy maintsy ampitaina io hafatra io; kanefa na tsy maintsy aza, dia tokony hitandrina isika mba tsy hanosika na hanery na hanameloka ireo izay tsy manana ny fahazavana izay ananantsika. (...)

Ireo izay manana tombontsoa lehibe sy fahafahana, kanefa tsy mikolokolo ny heriny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy, fa manao izay mahafinaritra ny tenany fotsiny ary mandà tsy hanao ny andraikiny, dia tandindomin-doza sy meloka kokoa eo anatrehan'Andriamanitra, noho ireo izay ao anatin'ny fahadisoan'ny foto-pampianarana, kanefa miezaka manao soa amin'ny hafa mandritra ny fiainany. Aza manome tsiny ny hafa; aza manameloka azy ireo. (...)

Mila mitandrina tsara isika mba tsy hanameloka ireo izay tsy meloka noho isika eo anatrehan'Andriamanitra. 

Aoka hotsaroan'ny tsirairay fa tsy tokony hiantso fanenjehana velively isika. Tsy tokony hampiasa teny henjana na mandratra isika. Aza avela hisosoka ao anatin'ny lahatsoratra izany, ary aza ampidirina ao anatin'ny lahateny. Aoka ny Tenin'Andriamanitra no hanin-drontsindrona sy hananatra. (...) Aoka ny rehetra hitandrina amin'ny teniny, andrao hanohitra sy hahafaty antsika aza ireo izay tsy mitovy finoana amintsika, ka hanome hirika ho an'i Satana hampiasa ireny teny tsy voahevitra ireny hanakanana ny lalantsika. 

Tsy maintsy hisy ny fotoan-tsarotra lehibe, izay tsy mbola nisy hatrizay nisian'ny firenena. Ny asantsika dia ny mianatra manaisotra amin'ny toritenintsika izay rehetra mamofompofona valifaty sy fihantsiana, na mitondra fanafintohinana ho an'ny fiangonana sy ny isam-batan'olona, satria tsy izany no fomba fiasan'i Kristy. 

Tsy nahavita ny adidiny araka ny fahazavana nomena azy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny vahoakan' Andriamanitra mahalala ny fahamarinana; koa mainka tokony hitandrina kokoa isika andrao hanafintohina ny tsy mpino, mialoha ny handrenesany ny anton'ny finoantsika mikasika ny Sabata sy ny Alahady. — TFC, b. 9, U. 243,244. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal