Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miray fo amin'ireo sahirana i Jesôsy.

Daty
Alakamisy 11 September 2025

 "Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko." - Mat. 25:40.

Mofon’aina:
Nofenoin'Andriamanitra ny fahatsarany ny tany ary nataony ampoky ny zava-tsoan'ny fiainana, koa tsy misy fialan-tsiny mihitsy ny famelana ny trano firaketan'Andriamanitra ho foana. Tsy afa-tsiny ny Kristianina raha manandratra ny fitarainany any an-danitra ny mpitondratena sy ny kamboty noho ny tsy fahampiana mampahory azy ireo, kanefa Andriamanitra, noho ny fahalalahan-tanany, dia efa nametraka harena safononoka teo an-tanan'ireo Kristianina ireo mba hanampiany ny sahirana amin'izay ilainy. (...)

 Eo amin'ny tontolo mitonona ho kristianina dia betsaka tokoa ny vola lany amin'ny fisehoana tafahoatra, toy ny firavaka sy ny haingo, izay ampy hamahanana ny noana rehetra sy hampitafiana ireo mitanjaka ao amin'ny tanàna sy ny vohitra misy antsika; kanefa amin'izany dia tsy voatery hihafy akory ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Jesosy, Ilay malemy fanahy sady tsy miavona am-po, fa hanana sakafo sahaza sy fitafiana mendrika ihany. Inona no holazain'ireo mambran'ny fiangonana ireo rehefa tonga ny andro lehiben'i Jehôvah ka hampifanatrehana aminy ireo mahantra sy nampahorina ary mpitondratena sy kamboty, (...)?

Misy vehivavy izay milaza fa manana toe-panahy araka an'Andriamanitra, kanefa miravaka haban-tanana sy rojo volamena, na firavaka hafa lafo vidy (...). Fahantrana sy fijaliana ary olona fadiranovana anefa no hita eny rehetra eny. Tsy mampiraika azy ireny olona ireny, ary tsy manetsika ny fangorahany akory; kanefa ny fijaliana foronina izay soritsoritana ao amin'ny sarimihetsika nivoaka farany dia mampitomany azy. (...) Izao no holazain'i Kristy amin'ny olona toy izany: "Noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; (..) narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo." – Mat. 25:42,43.

Hoy kosa i Kristy amin'ireo marina: "Noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novan-gianareo. " – Mat. 25:35,36. (...) Dia toy izany ny firaisam-pon'i Kristy amin'ny olombelona mijaly; raisiny ho tombontsoan'ny Tenany ny tombontsoan'izy ireo.   RH, 21 Nôvambra 1878.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal