Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hanome hery anao ny Fanahy Masina

Daty
Zoma 12 September 2025

 "Ary tamin'ny hery be no nanambaran 'ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra." - Asa. 4:33.

 Mofon’aina:
Inona no vokatry ny firotsahan'ny Fanahy tamin'ny andro Pentekôsta? Nentina hatrany amin'ny faran'ny tany nisy olona ny vaovao mahafaly momba ny Mpam onj y nitsangana tamin'ny maty. Feno fahalalahan-tanana tena lalina sy lehibe ny fon'ny mpianatra, hany ka nanosika azy ireo handeha hatrany amin'ny faran'ny tany izany, hijoro ho vavolombelona hoe: "sanatria raha mba misy hataonay rehareha afa-tsy ny hazo fijalian' i Jesosy Kristy Tompontsika."

Rehefa nitory ny fahamarinana araka izay hitany tao amin'i Kristy izy ireo, dia nilefitra teo ambanin'ny herin'izany hafatra izany ny fon'izay nandre. Olona maro no niova fo nanao andiany nanatona ny fiangonana avy amin'ny vazan-tany rehetra. Nohavaozina ny fon'ny mpino. Niray hina ny mpino sy ny mpanota nikatsaka ilay perila sarobidy. Nanjary mpitory ny filazantsara mahafatra-po ireo mpanohitra masiaka indrindra. (...) Ny tanjona tokana nokendren'ny mpino sy faniriany lalina dia ny haneho fitoviana amin'ny toetra amam-panahin'i Kristy sy ny hiasa ho fanitarana ny fanjakany. (...)

Olona an-jatony no nitory ny hafatra hoe: "efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra". Tsy voasakan'ny fandrahonana na fampitahorana izy ireo. Niteny tamin'ny alalany ny Tompo, ary na taiza na taiza no nalehany dia sitrana ny marary, ary nambara tamin'ny mahantra ny vaovao mahafaly. Miasa amin-kery toy izany Andriamanitra rehefa manolo-tena hofehezin'ny Fanahiny ny olona.

Ho antsika ankehitriny koa ny teny fikasana momba ny Fanahy Masina, fa tsy ho an'ireo mpianatra voalohany ihany. Homen'Andriamanitra hery avy any ambony ireo lehilahy sy vehivavy ankehitriny, tahaka ny nataony taurin' ireo izay nandre ny hafa-pamonjena tamin'ny andro Pentekôsta. Amin'izao ora sy fotoana izao, ny Fanahiny sy ny fahasoavany dia an'izay rehetra mila izany sy izay handray Azy amin'ny teniny.

Mariho fa rehefa tonga tamin'ny firaisana tanteraka ny mpianatra, ka tsy niady izay ho lohany intsony, vao nirotsaka ny Fanahy Masina. Niray saina izy rehetra. Navelany avokoa ny fahasamihafany rehetra. Ary nitovy ny fanambarana nataony rehefa nandray ny Fanahy izy ireo (...). (Asa. 4:32). Nampientana ilay vondron'ny mpino manontolo ny Fanahin'Ilay nahafoy ny ainy mba hahavelona ny mpanota. — (Australasian) UCR, 1 Jona 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal