Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fanajana ny tranon’Andriamanitra

Daty
Alarobia 21 February 2024

“Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.” - Lev. 19:30.

Avo sy masina Andriamanitra; ary ho an’ny fanahy manetry tena sy mino, ny tranon’Andriamanitra eto an-tany, ny toerana izay iangonan’ny vahoakany mba hivavahana Aminy, dia vavahadin’ny lanitra. Fitaovana notendren’Andriamanitra hanomana ny olona ho amin’ilay fiangonana any an-danitra, ho amin’ilay fanompoam- pivavahana Iehibe lavitra, ny hira fiderana sy ny toriteny ataon’ireo mpanompon’i Kristy.

Rehefa miditra ao amin’ny toeram- pivavahana ny mpivory, dia tokony hanao izany amim-pahamendrehana izy ireo, ka hizotra amim-pahanginana ho eny amin’ny toerany. (...) Tsy tokony hekena ao amin’ny trano fivavahana ny resadresaka sy ny bitsibitsika ary ny fihomehezana, na aloha na aorian’ny fotoam-pivavahana. Toe-panahy araka an‘Andriamanitra mafana sy mavitrika no tokony ho hita taratra eny amin’ny mpivavaka rehetra.

Raha tsy maintsy hiandry minitra vitsy ny olona sasany mialoha ny hanombohan’ny fivoriana, dia aoka izy ireo hitahiry ny toe-tsain’ny fanokanan-tena marina mandrakariva, amin’ny alalan’ny fandinihan-tena mangina. Koa hanandratra ny fony any amin’Andriamanitra ao anatin’ny vavaka izy ireo mba hahatonga ny fanompoam-pivavahana ho tombontsoa manokana ho an’ny fony sy hitarika fanahy hafa ho amin’ny faharesen- dahatra sy fiovam-po. Tokony hotsaroan’izy ireo fa misy iraky ny lanitra ao amin’ilay trano. Very amin’ny ampahany lehibe ny fifandraisantsika mamy amin’Andriamanitra noho ny fitiavantsika miherikerika sy mihetsiketsika ary ny tsy firaihantsika amin’ny fotoam-pisaintsainana sy ny vavaka. (...)

Asandrato ao an-tsain’ny zanakareo ny fanevan’ny fivavahana kristianina; ampio izy ireo hampiditra an’i Jesésy eo amin’ny fanandramany; ampianaro izy haneho ny fanajana ambony indrindra ny tranon’Andriamanitra sy hahatakatra fa rehefa miditra ny tranon’i Jehévah izy ireo dia tokony hatao amin’ny fo nohalefahina sy nampileferin’ny eritreritra tahaka ireto izany: “Eto Andriamanitra; tranony ity. Tsy maintsy manana eritreritra madio sy antony manosika masina indrindra aho. (...) Ity no toerana ihaonan’ Andriamanitra amin’ny vahoakany sy itahiany azy.” (...)

‘Tsy ny mampianatra ihany no tokony hataon’ny ray aman-dreny fany mibaiko ny zanany koa, mba ho feno fifehezan- tena sy fanajana izy ireo rehefa miditra ny tranon’ Andriamanitra.

Aoka ianao hizatra amin’ny fanehoana fanajana mandra-pahatonga izany ho fiainanao. ~ MLT, t. 286.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal