Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tombambidin'ny fanahy

Daty
Talata 16 September 2025

"Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin 'izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao." - 1 Tim. 4:16.

Mofon’aina:
Asa tsara sady ilaina ny asa ataonao mba hanampiana ireo rahavavintsika hahatsapa fa hampamoahina eo anatrehan' Andriamanitra isam-batan'olona izy ireo. Natao tsirambina nandritra ny fotoana maharitra izany asa izany; saingy rehefa napetraka tamin'ny tsipika mazava sy tsotra ary voafaritra, dia mahazo manantena isika fa ho tanteraka amin'ny fomba feno fahendrena kokoa ireo adidy fototra ao an-tokantrano fa tsy hatao tsirambina. Tian'Andriamanitra isika hanazava tsara amin'ireo izay tsy mbola mahatakatra izany fa manana tombam-bidy lehibe ny fanahin'ny olona.

Raha azontsika atao ny mifan-damina, tahaka izao ataonao izao, mba hanofana tsara tsy an-kiato ny fiangonana ny amin'ny anjara tokony hataony amin'ny maha-mpanompon'ny Mpampianatra azy ireo, dia hanana ny aina sy ny hery ilainy, izay tsy ampy taminy efa ela, ny fiangonantsika.

Manan-danja ambony ho an'i Kristy Mpamonjintsika ny fanahy. Mandalo fotoam-pahasahiranana mafy ireo rahavavintsika noho ny ankohonany mitombo sy ny fisedrana lalovany, izay zara raha takatry ny olona. Efa ela aho no naniry hahita vehivavy ho mpanabe azy ireo, mba hanampy azy hitraka amin'ny fahakiviany sy hahatsapa fa afaka manao asa ho an'ny Tompo izy ireo. Hitahy anao sy ireo izay hiray hina aminao amin'io asa lehibe io Andriamanitra. 

Maro amin'ireo tanora sy rahavavintsika efa zokinjokiny no menatra miresaka momba ny fivavahana. Tsy raisin'izy ireo araka ny tokony ho izy io lohahevitra io. Ny Tenin'Andriamanitra no tsy maintsy ho tokiny sy fanantenany ary fiadanany. Akaton'izy ireo ny varavarankely izay tokony hosokafany manandrify ny lanitra, fa ny manandrify ny tany indray no adanadanany. Kanefa rehefa ho hitan'izy ireo ny fahambonian'ny fanahin'ny olombelona, dia hakatony ny varavarana manandrify ny tany; tsy hiantehitra amin'ny famalifaliana sy ireo fikambanana eto an-tany intsony izy ireo; hihataka sy hisaraka amin'ny hadalana sy ny fahotana izy ireo, fa hanokatra kosa ny varavarankely manandrify ny lanitra, mba hahazoan'izy ireo mandinika ireo zava-panahy. (...)

Ireo mpiasa mahita fahombiazana indrindra dia ireo izay manompo an'Andriamanitra amim-pifaliana amin'ny zavatra kely sy bitika. — RH, 9 May 1899. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal