Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy Ilay zokiko lahy

Daty
Zoma 23 February 2024

"Koa amin'izany diamiendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra lzy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin' Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny helokt ny olona." -Heb.2:17.

Mijoro eo akaikin’nysez a fiandrianana mandrakizay Iay Zokintsika lahimatoa. Mibanjina ny fanahy tsirairay izay mitodika ho eo Aminy toy ny amin’ny Mpamonjy Izy. Fantany tamin’ny fanandramana nataony izay fahalemen’ny taranak’olombelona; fantany — koa izay ilaintsika sy izay itoeran’ny herin’ny fakam-panahy manjo antsika (...). Manara-maso anao Izy ry zanak’Andriamanitra mangovitra. Alaim-panahy ve ianao? Hanafaka anao Izy. Malemy ve ianao? Hampahery anao Izy, Tsy manam-pahalalana ve ianao? Hampahazava anao Izy. Maratra ve ianao? Hanasitrana anao Izy. «Sady milaza ny isan’ny kintana» ny Tompo no «mahasitrana ny torotoro fo, sy mamehy ny feriny koa» (Sal. 147:4,3).

Na toy inonana toy inona tebitebinao sy fitsapana mihatra aminao, borahy eo anatrehan’ny Tompo izany. Ho voatohana amin-kery ny fanahinao ka hahazaka. Hisokatra ho anao ny lalana hamahana ny tenanao amin’ny zava- tsarotra sy manahirana: Arakaraka ny ahafantaranao ny fahalemenao sy ny tsy fahazoanao manampy ny tenanao, arakaraka izany no hahabe kokoa ny herinao. Arakaraka ny mampahavesatra ny entanao, arakaraka izany no mahabe fitahiana kokoa ny fialan-tsasatra azonao amin’ny fametrahana ny entanao eo amin’Ilay Mpitondra ny entana rehetra.

Mety mampisaraka antsika amin’ny sakaiza rehetra eto an-tany ny toe- javatra, nefa tsy misy elanelan-tany, afaka mampisaraka antsika amin’Iay Mpanavotra avy any an-danitra. Na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza alehantsika, dia eo ankavanantsika mandrakariva Izy hanampy, hanohana, hihazona sy hamalifaly. Lehibe lavitra noho ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavan’i Kristy ireo voavotra. Tombontsoantsika ny mitsahatra ao amin’ny fitiavany, ny manambara hoe: “Hatoky Azy aho, fa Izy nahafoy ny ainy ho ahy.”

Mety miova ny fitiavan’ny olombelona, fa ny fitiavan’i Kristy kosa tsy mba mety miova. Rehefa miantso vonjy Aminy isika dia manatsotra ny tanany Izy hamonjy antsika.

Faniriany ny hahafantarantsika fa niverina ho any an-danitra Izy amin’ny maha-Zokintsika Lahimatoa Azy, ary nomeny mba ho azontsika ampiasaina ny hery tsy misy fetra natolotra azy. — MLT, t. 297.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal