Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mambabo fanahy amin'ny alalan' ny Sekoly Sabata

Daty
Alatsinainy 22 September 2025

 "Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra." Jao. 3:3.

Mofon’aina:
Tokony ho mpiara-miasa amin' Andriamanitra, miaraka amin'i   Kristy, ny mpampianatry ny Sekoly Sabata. Aza mianina amin'ny fivavahana fombafomba fotsiny sy tsy misy aina. Ny fanangonana fanahy ho an'ny Tompo no tokony ho tanjon'ny Sekoly Sabata. Mety hirindra tsara ny fandaharana, mipetrapetraka araka izay irina ny fitaovana rehetra; saingy raha tsy voataona ho eo amin'i Kristy ny ankizy sy ny tanora, dia tsy mahomby izany ilay sekoly. Raha tsy voasarika ho eo amin'i Kristy mantsy ireo fanahy ireo, dia hanjary feno tsy firaihana, ary tsy hisy fiantraikany aminy ny fombafombam-pivavahana. (...)

Raha mamaly ny antson'ny Fanahy Masina ny mpianatra ka manokatra ny fony hidiran'i Jesosy, dia hosokafana ny sain' izy ireo hahatakatra ireo zava-panahy. Asa tsotra ny asan'ny mpampianatra, kanefa raha tanterahina amin'ny toe-tsain'i Jesosy sy ny fanampian'ny Fanahy Masina izany, dia ho lalina sy hahomby kokoa. 

Tokony hiasa bebe kokoa ny isam-batan'olona ao amin'ny Sekoly Sabata. Tsy fantatra na ankasitrahana araka ny tokony ho izy ny filana izany fomba fiasa izany. Amin'ny fo feno fankasitrahana ny fitiavan'Andriamanitra, izay nomeny ho an'ny fanahy, no tokony hiasan'ny mpampianatra amim-pahalemem-panahy sy amim-pahamatorana ho amin'ny fiovam-pon'ny mpianatra.

Inona no porofo azontsika homena izao tontolo izao fa tsy fombafomba fotsiny ny asan'ny Sekoly Sabata? Ny voany no hitsarana azy. Hotombanana araka ny toetra sy ny asan'ny mpianany izany. Tokony hanankinana andraikitra ireo tanora kristianina ao anatin'ny Sekoly Sabatantsika, mba hahafahan'izy ireo mampivelatra ny fahaizany sy mahazo hery ara-panahy. 

Aoka hanolo-tena ho an'Andriamanitra aloha ny tanora, ary avy eo, hampianarina hanampy ny hafa dieny izao mbola kely izao. Hahafahany mampiasa ny fahaizany izany, ary manampy azy hahay hanao drafitra sy hanatanteraka ny drafiny mba hahasoa ny namany. Aoka izy ireo ho naman'ireo mua fanampiana, tsy hanao resadresa-poana anefa, fa mba haneho toetra kristianina, ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra, amin'ny famaboana ireo izay tsy mbola nanolo-tena ho an'Andriamanitra. — Testimonies on Sabbath School Work, tt. 47,48. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal