"Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan 'ny mazava." - Isa. 9:2.
Mofon’aina:
Aoka hanana toe-tsaina misiônera ny Kristianina tsirairay. Miasa tahaka ny niasan'i Kristy, tia ireo fanahy tahaka ny nitiavan'i Kristy antsika, izany no atao hoe mamoa. Ny fihetsika voalohany ataon'ny fo nohavaozina dia ny mitondra ny hafa ho eo amin'ny Mpamonjy: vantany vao miova fo sy manaiky ny fahamarinana ny olona iray, dia hanana faniriana lalina ny hahitan'ireo izay mbola ao anatin'ny haizina, ny fahazavana sarobidy mamirapiratra avy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. (...)
Mila misiônera isika mba hampiely ny fahazavan'ny fahamarinana any amin'ireo tanàn-dehibe (...), ary tokony hanao izay rehetra azony atao ny zanak'Andriamanitra eo amin'io sehatra io – dia ireo izay antsoiny hoe fahazavan'izao tontolo izao. Ho tojo fanakiviana ianareo, hahita fanoherana. Hibitsibitsika ny fahavalo hoe: inona no azon'ireto olom-bitsy mahantra ireto atao ato amin'ity tanàn-dehibe ity? Raha mandeha amin'ny mazava anefa ianareo, dia mety ho tonga mpitondra fahazavana eto amin'izao tontolo izao avokoa.
Aza mitady hanao asa goavana, raha mbola ataonareo tsirambina ireo fotoana madinika fanararaotramanoloana anareo. Betsaka no ho vitantsika raha miseho mazava eo amin'ny oha-piainantsika isan'andro ny fahamarinana. Tsy azo toherina mora foana ny hery miasa mangina toy izany avy amintsika. (...)
Azonao atao ny miasa ho fampan-drosoana ny fiangonana, ny mampahery ireo mpiara-mivavaka aminao, ary hanao izay hahatonga ny fivoriana ho mahaliana; ary azonao ampanarahina amin'ireo mpiasa eny an-tsaha fijinjana koa ny vavaka asandratrao, toy ny antsy fijinjana maranitra. Tokony samy ho liana, handray am-po manokana, hanara-maso, ary hitondra amim-bavaka ny fahombiazan'ny asa, ny tsirairay. (...
Tokony hofanina ny zatovolahy hahafahan'izy ireo miasa amin'ireo tanàn-dehibe ireo. Mety tsy ho afaka haneho ny fahamarinana avy eo amin'ny dabiliony na oviana na oviana izy ireo, saingy afaka mitety tokantrano kosa, ka hampitodika ny olona amin'Ilay Zanak Ondrin'Andriamanitra manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. Voatototra ao ambanin'ny vovoka sy fakofako avy amin'ny hevi-diso ireo perila sarobidin'ny fahamarinana; saingy afaka manala sarona ireo haren-tsarobidy ireo ny mpiasan'ny Tompo, mba hahitan'ny maro izany amim-pifaliana sy amim-pitalanjonana. - Historical Sketches of the Foreign Missions of the Seventh-day Adventists, tt. 181,182.