Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa tokony hatao any an-tanàn-dehibe

Daty
Talata 23 September 2025

 "Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan 'ny mazava." - Isa. 9:2.

Mofon’aina:
Aoka hanana toe-tsaina misiônera ny Kristianina tsirairay. Miasa tahaka ny niasan'i Kristy, tia ireo fanahy tahaka ny nitiavan'i Kristy antsika, izany no atao hoe mamoa. Ny fihetsika voalohany ataon'ny fo nohavaozina dia ny mitondra ny hafa ho eo amin'ny Mpamonjy: vantany vao miova fo sy manaiky ny fahamarinana ny olona iray, dia hanana faniriana lalina ny hahitan'ireo izay mbola ao anatin'ny haizina, ny fahazavana sarobidy mamirapiratra avy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. (...)

Mila misiônera isika mba hampiely ny fahazavan'ny fahamarinana any amin'ireo tanàn-dehibe (...), ary tokony hanao izay rehetra azony atao ny zanak'Andriamanitra eo amin'io sehatra io – dia ireo izay antsoiny hoe fahazavan'izao tontolo izao. Ho tojo fanakiviana ianareo, hahita fanoherana. Hibitsibitsika ny fahavalo hoe: inona no azon'ireto olom-bitsy mahantra ireto atao ato amin'ity tanàn-dehibe ity? Raha mandeha amin'ny mazava anefa ianareo, dia mety ho tonga mpitondra fahazavana eto amin'izao tontolo izao avokoa. 

Aza mitady hanao asa goavana, raha mbola ataonareo tsirambina ireo fotoana madinika fanararaotramanoloana anareo. Betsaka no ho vitantsika raha miseho mazava eo amin'ny oha-piainantsika isan'andro ny fahamarinana. Tsy azo toherina mora foana ny hery miasa mangina toy izany avy amintsika. (...)

Azonao atao ny miasa ho fampan-drosoana ny fiangonana, ny mampahery ireo mpiara-mivavaka aminao, ary hanao izay hahatonga ny fivoriana ho mahaliana; ary azonao ampanarahina amin'ireo mpiasa eny an-tsaha fijinjana koa ny vavaka asandratrao, toy ny antsy fijinjana maranitra. Tokony samy ho liana, handray am-po manokana, hanara-maso, ary hitondra amim-bavaka ny fahombiazan'ny asa, ny tsirairay. (...

 Tokony hofanina ny zatovolahy hahafahan'izy ireo miasa amin'ireo tanàn-dehibe ireo. Mety tsy ho afaka haneho ny fahamarinana avy eo amin'ny dabiliony na oviana na oviana izy ireo, saingy afaka mitety tokantrano kosa, ka hampitodika ny olona amin'Ilay Zanak Ondrin'Andriamanitra manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. Voatototra ao ambanin'ny vovoka sy fakofako avy amin'ny hevi-diso ireo perila sarobidin'ny fahamarinana; saingy afaka manala sarona ireo haren-tsarobidy ireo ny mpiasan'ny Tompo, mba hahitan'ny maro izany amim-pifaliana sy amim-pitalanjonana. - Historical Sketches of the Foreign Missions of the Seventh-day Adventists, tt. 181,182.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal