Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manehoa firaisam-po

Daty
Alarobia 24 September 2025

 "Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana." - 1 Kôr. 13:8.

Mofon’aina: 
Manantena ny tsirairay hanao asa fanompoana manokana Andriamanitra, dia izay rehetra nanankinany ny fahalalana ny fahamarinana ho an' izao andro izao. Tsy ny rehetra no afaka manao asa misiônera any amin'ny firenen-kafa, saingy ny rehetra dia afaka ny ho misiônera eo an-toerana, ao amin'ny fianakaviany sy eo amin'ny manodidina azy. (...) Ny fiainana kristianina tia manampy sy tsy misy fitiavan-tena no iray amin'ireo fomba mahomby indrindra amin'izany.

Ireo izay miady mafy amin'ny fiainana dia hahazo famelombelomana sy fankaherezana amin'ny alalan'ny fanehoam-pitiavana kely izay tsy mitaky fandaniana akory. Ny teny mamy sy ny fikarakarana madinidinika atao amim-pahatsorana, dia hampisava ny rahon'ny fakam-panahy sy ny fisalasalana mitatao eo ambonin'ny fanahiny. Ny fanehoana firaisam-po marina tahaka ny an' i Kristy, dia manan-kery hanokatra ny varavaran' ireo fo izay mila ny fikasihana tsotra sy malefaky ny toe-tsain' i Kristy.

Raisin' i Kristy amim-pifaliana tokoa ny olona rehetra manolo-tena ho Azy. Ataony miara-miasa amin'ny olombelona ny lanitra mba hanambarana amin'izao tontolo izao ny zava-miafin'Ilay Fitiavana tonga nofo. Resaho izany, ataovy antom-bavaka, hirao, fenoy amin'ny hafa-pahamarinany izao tontolo izao, ary mandrosoa hatrany hanatratra ireo faritra rehetra any lavitra any. (...) 

Ho tena feno fitiavana an'Andriamanitra ireo izay niova fo marina, ka haniry fatratra hizara amin'ny hafa ny fifaliana ao anatiny.

 Irin'ny Tompo ny hanehoan'ny fiangonany amin'izao tontolo izao ny hatsaran'ny fahamasinana. Nokendrena haneho ny herin'ny fivavahana kristianina izany. (...) Tsy maintsy atao ren'ireo izay ao anatin'ny haizina ny hiram-pisaorana sy fiderana. 

Aoka hasehontsika amin'ny fiezahan-tsika hanasoa ny hafa ny fankasitrahantsika noho ny vaovao mahafalin'ny filazantsara, noho ireo teny fikasana sy toky raketiny. Hampita tara-pahazavan'ny fahamarinana avy any an-danitra amin'ireo fanahy sasatra sy very hevitra ary mijaly ny fanaovantsika izany. Toy ny loharano mamelombelona ny mpandeha ana sy mangetaheta io. Eo mandrakariva ny anjelin' Andriamanitra isaky ny misy asam-pamindrampo sy asam-pitiavana atao. — TFC, b. 9, tt. 30,31. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal