"Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava." – Rôm. 13:12.
Mofon’aina:
Rehefa avy niezaka fatratra nitory ny fahamarinana tamin' ireo izay nanankinan'Andriamanitra andraikitra lehibe ianao, dia aza kivy raha toa ka mandà izany izy ireo. Nolavina koa ny fahamarinana tamin'ny andron'i Kristy. Aoka ho azonao antoka fa voahazona ny fahamendrehan'ny asa amin'ny alalan'ny fametrahana drafitra mirindra sy ny fifampiresahana masina.
Aoka isika tsy hatahotra hanandratra avo dia avo ny fanevan'ny filazantsara. Tokony hifandray am-po ireo ankohonana manatanteraka asa misiônera. Aoka hamonto ny fanahin'ny mpiasa ny toe-tsain'i Kristy; satria ny teny mamy sy feno fangorahana, ny fanehoam-pitiavana tsy mila tambiny amin' ireo fanahy vonjena, no handrava ny sakantsakan'ny avonavona sy ny fitiavan-tena, ary haneho amin'ny tsy mpino fa manana ny fitiavan'i Kristy isika; koa dia hahita lalana hidirana ao am-pony ny fahamarinana. Io no asantsika sy fanatanterahana ny drafitr 'Andriamanitra.
Tsy maintsy esorintsika ny fiteny tsy voahevitra sy masiaka rehetra. Tsy maintsy ankamamiana ny fahaiza-manaja, ny fahadiovana, ary ny fahalalam-pomba kristianina. Aoka hitandrina mba tsy hivantambantam-piteny na hanao teny mahery. (...) Aza atao mihitsy ny manasongadina ireo Iafiny mampiady hevitra indrindra amin'ny foto-pinoantsika, raha tsy mbola ilaina izany. Fahavoazana ho an'ny asa fotsiny ny fanao tahaka izany.
Tokony hataon'ny rehetra izay hananana ny hery miasa mangina manalefaka sy mampilefitra ny fo izay ananan'ny Fanahy Masina – dia ny fahalemem-panahy sy ny fitiavana ny fanahy vonjena, araka ny fomban'i Kristy. Ireo izay irahina mba hiara-miasa dia tokony hamela ny heviny manokana sy ny hevitra mibahana mialoha ao an-tsainy, ka hiezaka ny hiara-miasa amin'ny fo sy fanahy, mba hahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. (...)
Ny fanahin'i Kristy no ilaintsika betsaka kokoa, ary betsaka hatrany, fa ahena kosa ny "izaho" sy ireo lafin-toetra izay manangana rindrina mampisaraka antsika amin'ireo mpiara-belona amintsika. Be no azontsika atao mba handrodanana ireo sakana ireo, amin'ny fanehoana ny fahasoavan'i Kristy eo amin'ny fiainantsika. (… ) Mila mitafy isika, tsy amin'ny fitafiantsika manokana anefa, fa amin'ny fiadian'ny fahamarinan'i Kristy rehetra. — AC, 18 Desambra 1890.