Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miraisa hina mitory ny filazantsara.

Daty
Talata 30 September 2025

" Ary Jesôsy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: 'Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina." Jao.8:12.

Mofon'aina:
Ny mpanara-dia an’i Jesôsy dia mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Tsy handeha amin’ny maizina izy, fa hahita kosa ny lala-marina, ka i Jesôsy (...) no hitari-dalana azy. Eo am-pizorany ho any Ziona, mandroso amim-pinoana, dia hiaina fanandramana mamiratra kokoa amin’ny zava-panahy izy ireo. Ny iraka notanterahin’i Kristy (...) ilay nahatonga Azy handao ny seza fiandrianan’Andriamanitra mba ho eo amin’ny alitaran’ny hazo fijaliana feno misitery, dia hihamazava hatrany amin’ny saina, ary ho hita fa ilay sorona nataon’i Kristy no loharano nipoirana sy foto-kevitra ijoroan’ny asam- pitiavana rehetra. Ny fitiavan’i Kristy no hery manosika ny tena mpanao asa misionera hitety tanàn-dehibe, vohitra, lalambe sy lalankely manerana izao tontolo izao.

Ny fiangonan’Andriamanitra eto an-tany dia naorina mba hanao asa misionera, koa zava-dehibe indrindra ny hahatongavan’ny mambra tsirairay ho mpiara-miasa mahatoky amin’Andriamanitra (...) ary noho izany dia mampiasa ny heriny rehetra araka ny fahafaha-manao nomena azy ho amin’ny famonjem-panahy. Takin’i Jesôsy Kristy ny hanaovan’izay rehetra antsoina amin’ny Anarany, ny asany ho lohalaharana sy zava-dehibe indrindra ifantohan’ny saina, ka hiarahan’izy ireo miasa amim-pahafoizan-tena miaraka amin’ny anjelin’ny lanitra ho famonjena ireo olom-bery izay nanoloran’i Kristy ny ainy.

Ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fananana na ny fahefana, na izay rehetra fahafaha-manao ara-tsaina sy ara-batana, dia fandrobana an’Andriamanitra sy fandrobana izao tontolo izao; satria izany dia fanodinana ny hery izay natokan’Andriamanitra hampiasaina amin’ny fanavotana izao tontolo izao. Fony i Kristy tety an-tany, dia naniraka ny mpianany Izy mba hitory ny fanjakan’Andriamanitra eran’i Jodia, ary nasehony mazava tamin’ny alalan’izany ohatra izany fa hatrizay hatrizay dia adidin’ny mpanara-dia Azy ny mampita amin’ny hafa ny fahalalana izay ananany momba ny lalana sy ny fahamarinana ary ny fiainana. Tamin’ny asany rehetra dia nokendren’i Jesôsy ny hanofana ny fiangonany ho amin’ny asa misionera, ary arakaraka ny hitomboan’ny hamaroany no hiitaran’ny asa mandra-pahatongan’izao tontolo izao ho voahodidin’ny hafàtry ny filazantsara amin’ny alalan’ny asa fanompoan’izy ireo. – RH, 30 Oktôbra 1894.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal