"Anaka, tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra. " Ohab. 4:20-22.
Mofon'aina:
Ny rivotra madio, ny masoandro, ny fahalalana onony, ny fialan-tsasatra, ny fampiasan-tena, ny sakafo ara- dalàna, ny rano, ny fitokisana ny herin’Andriamanitra – ireo no tena fanafody marina. Tokony ho samy fantatra ny momba ireo foto-kevitra entin’ny zavaboary manasitrana ny olona tsirairay sy ny fomba fampiasana azy ireo. Zavatra tena ilaina ny mahafantatra ireo foto-kevitra mifono ao amin’ny fitsaboana ny marary sy ny manana fahazarana eo amin’ny fampiharana ary ny hahaizany mampiasa tsara io fahalalana io.
Marina fa ny fampiasana ny fanafody voajanahary dia mitaky fahamalinana sy fiêzahana betsaka izay tsy mahavonona ny maro ny hanao azy. Miandalana ny fomba fanasitranana voajanahary sy ny fanarenana ny fahasalamana ary toa miadan-doatra izany amin’ireo tsy manam-paharetana. Mitaky fahafoizan-tena koa ny fialana amin’ny fanaranam-po manimba. Nefa amin’ny farany dia ho hita fa manao ny asany amim-pahendrena sy tsara ny natiora raha tsy voahelingelina. Ireo izay mitozo amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny zavaboary dia hijinja ny valisoan’ny fahasalaman’ny vatana sy ny fahasalaman’ny saina.
Matetika no tsy miraharaha firy ny fiarovana ny fahasalamana ny olona, ary hadinony fa aleo lavitra misakana ny aretina tsy ho tonga toy izay manilika ny efa mby an-koditra. Adidin’ny olona tsirairay amin’ny tenany sy ny mpiara- belona aminy ny hahalala ireo lalàna mikasika ny aina ka mankatô izany amin’ny fony tokoa. (...) Tokony ho azony ny fomba fiasan’ny taova isan- karazany sy ny fifandraisan’ireny ka hahatonga fahasalamana ho azy rehetra. Tokony hianarany ay asan’ny saina amin’ny tena sy ny asan’ny tena amin’ny saina, ary ireo lalàna izay mifehy azy ireo.
Tokony hampahatsiarovina antsika lalandava fa tsy miankina amin’ny vintana tsy akory ny fahasalamana. Vokatry ny fankatoavana ny lalàna voasoritra mazava tsara izany. Eken’ireo mpifaninana amin’ny lalao fanatanjahan-tena sy amin’ny fifampitsapan-kery izany. Manao fiomanana amim-pitandremana fatratra ireny olona ireny. Mamola-tena amin’ny fanazarana tomombana sy ny fifehezan-tena henjana izy. Ny fahazarana ara-batana tsirairay dia voatandrina ho ara-dalàna. (...) – TMF, tt. 75-77.