FAMINDRAMPO INDRAY
Vakio ny Jos. 2:1, Nom. 13:1,2,25-28,33 sy ny Nom. 14:1-12. Nahoana i Josoa no naniraka mpisafo tany roa ho fanombohana ny fanatanterahany ilay iraka mba haka ny tany Kanana?
"Shittim", ao amin'ny lahatsoratra hebreo, no anaran'ilay toerana niaingan'ireo mpisafo tany roa nirahina, ary mampahatsiahy antsika tranga ratsy roa teo amin'ny tantaran'ny Isiraely izany.
Ny voalohany dia tantarana mpisafo tany roa hafa (jereo ny Nom. 13) izay ahitana singa manan-danja mitovy: ny fanirahana ny mpisafo tany, ny fidiran'izy ireo miafina tao amin'ny faritanin'ny fahavalo, ny fiverenany, ny tatitra nataony momba ny zavatra hitany, ary ny fanapahan-kevitra hanao zavatra araka izany tatitra izany.
Ny tranga faharoa tao Sitima no anisan'ny nanehoan'ny Isiraelita fihetsika feno fikomiana sy fanompoan-tsampy indrindra tamin'ny nandikany ny fanekena, rehefa notarihin'i Balama, ka nijangajangany tamin'ny vehivavy Moabita sy niankohofany tamin'ny andriamanitr'izy ireo (Nom. 25:1-3; Nom. 31:16). Tao anatin'izany tontolon-kevitra izany dia nanjary niteraka fitaintainana ny amin'ny ho tohin'ny tantara manontolo ny anarana hoe Sitima. Tsy fahombiazana indray ve no hitranga eo an-tsisin-tanin'ny Tany Nampanantenaina? Sa ho tanteraka ve ilay teny fikasana efa nandrasana ela?
Vakio ny Jao. 18:16-18,25-27, sy ny Jao. 21:15-19. Inona no fitoviana hitanao eo amin'ny famindram-po nomena ny Isiraely amin'ny maha-firenena azy sy ny nomena an'i Petera amin'ny maha-olon-tokana azy?
Andriamanitry ny famindrampo tokoa Andriamanitra. "Fahasoavana" no ilazan'ny Baiboly izany famindrampo izany. Ny atao hoe fahasoavana dia tsotra: ny mandray izay tsy mendrika ny tena akory (ampitahao amin'ny Rôm. 5:2; Efes. 2:8; Rôm. 11:6). Manome maimaimpoana fiaingana vaovao ho an'ny olona tsirairay Andriamanitra (Tit. 2:11-14). Nanandrana io fahasoavana io i Petera, ary niantso ny fiangonana mba hitombo amin'ny fahasoavana (2 Pet. 3:18). Ity aza no tena vaovao mahafaly: tsy indray mandeha Andriamanitra no mamindra fo fa imbetsaka! (Raha tsy izany, inona no mety ho efa nanjo antsika?)
Diniho ny fanandramana niainan'ny Isiraelita rehefa nomena fahafahana fanindroany hiditra ny tany Kanana izy ireo, ary koa ny tahasoavana naseho an'i Petera rehefa nandà ny Tompony izy. Inona no tokony hampianarin'izany antsika ny amin'ny tokony hanehoantsika fahasoavana ho an'izay mila izany?