Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fehezin’ny hery avy any ambony.

Daty
Alatsinainy 06 October 2025

"Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lo. Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra, fa asiako maty ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako." - 1 Kôr. 9:25-27.

Mofon’aina:         
Ny fahombiazan'ny fanavaozana anankiray atao dia miankina amin'ny fahitana mazava ny fahamarinana fototra iorenany. Etsy andaniny, mitera-doza ny hevitry ny saina ety sy ny fanaraham-pomba henjana sady tsy misy aina, etsy ankilany kosa dia mainka mampidi-doza lavitra ny fahalalana diso tafahoatra izay zary baranahiny tsy misy fitandremana. Ny fototra iorenan'ny fanavaozana maharitra rehetra dia ny lalàn'Andriamanitra. Tokony ho samy hahatsapa ny tsirairay avy fa tena ilaina ny fitandrelana io lalàna io. Tsy maintsy hasandratra eo imason’ny vahoaka ny foto-kevitra iorenany izay maharitra mandrakizay (...).

Ny iray amin'ny vokatra mampahonena indrindra avy amin'ny fahotana tany am-boalohany dia ny nahaverezan'ny olona ny heriny hifehy ny tenany. (...)

Ny vatana no hany mpanelanelana izay ahazoan'ny fanahy misandratra ho eo amin'ny fanorenana ny toetra amam-panahy. Noho izany dia eo no amaritan'ny fahavalon'ny fanahy ny fakam-panahy mba hampahalemy sy hampitontongana  ny hery ara-nofo. Ny fahombiazany eto dia midika ho fileferan'ny tena manontolo amin'ny ratsy. Ny fironan'ny tenantsika ara-nofo, raha tsy eo ambany fanapahan'ny hery ambony kokoa, dia hitarika marina tokoa ho amin'ny faharavana sy ny fahafatesana azo antoka.

Tsy maintsy hampileferina ny vatantena , ireo hery ambony kokoa eo amin’ny olona no tokony hanapaka azy. Tokony hifehy ny fihetseham-po ny sitrapo, ary izy io indray dia tokony hofehezin’Andriamanitra. Ny herin’ny saina mandanjalanja nohamasinin’ny fahasoavan’Andriamanitra no tokony hanapaka ny fiainantsika.

(...) Teo amin'ny fombam-pivavahana fahiny izay mampiseho ara-tandindona ny filazantsara, dia tsy misy fanatitra nisy kilema azo nentina teo amin'ny alitaran'Andriamanitra. Tsy mantsy ho tsy misy pentina izay nampiseho an'i Kristy. Asehon'ny Tenin'Andriamanitra  izany mba hoenti-manazava ny tokony ho toetran'ny Zanany «fanatitra velona», «masina sy tsy misy tsiny», «sitrak'Andriamanira» -  Rôm. 12:1; Efes. 5:27. - TMF, t. 77,78.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal